Auteur/autrice : Adnews

Miaro mpanolana : reny niteraka naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja ny renin’ilay zazavavikely 12 taona sady voaolana no bevohokan’ny raikeliny. Naleon-dramatoa nikarakara ilay mpanolana any am-ponja toy izay ny zanany. Nanaraka am-badiny, mamita sazy any am-ponja koa ny renin’ ilay zazavavikely 12 taona niharan’ny fanolanana tao Vatomandry, ka bevohokan’ ny raikeliny. Tsy fikarakarana an-janany no antony nam­pidirana am-ponja […]

Asan-jiolahy : basy vita gasy efatra tratra tao anaty taksiborosy

Sarona tao anaty taksiborosy ny basy efatra nentina lehilahy iray tao Antsohihy, omaly tamin’ny 8 ora ma­raina. Naharay angom-baovao tamina tsara sitrapo, nidina ifotony nanao fanamarinam-baovao ny mpitandro filaminana momba io mpivarotra fitaovam-piadiana io. Nikasa hihazo an’An­tonibe ilay lehilahy. Nigado­na teo amin’ny fiantsonan’ ny taksiborosy ny mpitandro filaminana saingy mbola […]

Ankazomiriotra : tratran’ny zandary ny fiara tsotra nitatitra olona

Tsy nampoiziny ! Saron’ ny zandary mpanao sakana sy fisafoana ny lalam-pirenena faha-34 tao Ankazo­miriotra sy Vinany ny fiara tsotra iray ampiasaina hitaterana mpandeha an-tsokosoko, omaly. Voatery nandray fepetra tamin’ny mpamily avy hatrany ny zandary ka nogiazana ny fiara. Nan­dritra ny fisavana ny antontan-taratasin’ny fiara, voamarina fa tsy manana fahazoan-dalana […]

Ankadikely: jiolahy lavo teo am-pianihana tamboho

Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, jiolahy iray maty voatifitry ny zandary teo am-pianihana tamboho tao amin’ny fokontany An­dafiavaratra, kaominina An­kadikely, omaly maraina. Efa tafiditra tao anatin’ny tanàna nokasain’izy ireo ho robaina ny roa tamin’ireo olon-dratsy, tamin’ny 2 ora maraina. Mbola nianika ny fefy kosa ny iray namany. Nam­pandre ny […]

Naiditra am-ponja vonjimaika… : teratany nizerianina roa lahy nahatrarana “méthamphétamine”

Mahita hirika foana! Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ireo teratany nizerianina roa lahy sy vehivavy iray nahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “méthamphétamine” teny Mandriambero-Ambohidratrimo. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto, ny 9 jona 2023 atoandro, niaraka tamin’ny “méthamphétamine”. Niainga avy amin’ny […]