Tranoheva maro samy manana ny habeny sy mandray karazam-barotra ary vokatra samihafa. Ireo ny hita ao anatin’ireo tsena mitafo miisa roa natolotr’Ambatovy ho an’ny kaominina ambanivohitr’i Ranomafana Atsinanana, ny zoma teo. Hanome toerana azo antoka amin’ny aroloza sady mahazaka mpivarotra 100 eo ho eo ireo tsena ireo. Etsy ankilany, tranoheva mitafo […]
Auteur/autrice : Adnews
Antsiranana-milina ENELEC nirehitra : nitondra vahaolana ny Jirama
Napetraka ao Antsiranana, omaly, ilay vata mpanova herinaratry ny orinasa Jirama hoentina hanoloana ilay milina an’ny ENELEC may afakomaly, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tonga ao Antsiranana omaly, ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Andriamanampisoa Solo, taorian’ny fahamaizana milina mpihary herinaratry ny ENELEC afakomaly. Fantatra fa hasolo […]
CUA-OIF : nosantarina ny fizarana kopia faobe
Nisitraka ny kopia nahaterahana voalohany, tamin’ny alalan’ny tetikasa kopia faobe, ireo ankizy 20 teto Antananarivo Renivohitra. Nanolotra izany mivantana, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) no nahafahana nanatanteraka izany. Miisa 4.207 ny kopia hozaraina amin’ity andiany voalohany […]
Herinandron’ny Mpanazava : ampiana ny ankizy hitrandraka ny talenta ao aminy
Nankalazaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny herinandron’ny mpanazava eto Madagasikara. Notanterahina teny Alarobia ny hetsika ho an’ny mpikambana teto Antananarivo. Tonga nanatrika izany ireo ankizy mpikambana rehetra avy eto Antananarivo Renivohitra. Mpanatalenta mizara ny fahazavana, ny lohahevitra nosafidian’izy ireo tamin’ity taona ity. Maro amin’ny ankizy no manana talenta ka […]
Tetikasa JMCT : vonona hanohana ny filohan’ny Repoblika
Nihaona tamin’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny ekipan’ny tetikasa Jeunesse malagasy compétente au travail (JMCT), nahitana ny talen’ny tetikasa any Kanada, Sylvain Benoît, ny talen’ny tetikasa eto Madagasikara Rakotondrajaona Luc. Nampahafantatra ny votoatin’ny tetikasa JMCT izay manatsara (manomana mialoha) ny fidiran’ny mpianatra anatin’ny sehatry ny asa, 18 ka hatramin’ny […]




