Auteur/autrice : Adnews

Mitsindrona «héroïne»: lehilahy iray voasambotra

Mpitsindrona zava-ma­ha­­domelina mahery vaika «hé­roïne» voasambotry ny polisy tetsy Antsalovana, afa­komaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina, tra-tehaka teo am-pitsindronana izy. Tovolahy 23 taona ity voasambotra. Niaiky ny heloka izy. Nilaza tamin’ny mpanao famotorana fa efa am-bolana maro no niankin-doha tamin’ ny zava-mahadomelina. Karohina ny namany, voalaza fa mpividy izany. Tra-tehaka […]

Nirefodrefotra ny basy: nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy teny Ambohidratrimo

Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary, tetsy Sabotsikely Ambohidratrimo, omaly maraina. Nikasa hanafika tokantrano ny olon-dratsy no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy tao amin’ny fokontany Sabo­tsikely, kaominina Ambo­hi­dratrimo, omaly, tamin’ny 1 ora maraina. Maty voatifitra ny jiolahy iray. Tavela […]