Hanakoako manerana ny Nosy ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena politikan’i Madagasikara. Lanonana maroloko sy hetsika samihafa no hanakoako manerana ny tanàna. Hadinodino rafahantrana. Samy mampirevy ny ao an-tokantrano. Manao izay mampifalifaly ny vady aman-janaka na ny ray aman-dreny sy ny havana. Zara aza misy hialana voly sy hialana […]
Auteur/autrice : Adnews
Hentitra ny fiarovana ny ain’ny manam-pahefana mandritra ny matso
Vonona hanatanteraka ny matso lehibe eny Mahamasina, rahampitso, ny Foloalindahy, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny minisitry ny Foloalindahy. Vita tamin’ny 23 jona lasa teo ny famerenana farany ho an’ny matso miaramila sy sivily, nanamafy ny fahavononan’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS) sy ny mpandray anjara rehetra. Mahatratra 3 800 ny […]
Fetin’ny fahaleovantena: marihina anatin’ny firaisankina
Toy ny isan-taona, maro ny manao asa sosialy isam-pokontany. Misy ny fizarana harendrina sy vatomamy ho an’ny ankizy, solombodiakoho ho an’ny zokiolona. Hiavaka ny fankalazana amin’izao Fanavaozana izao. Fokontany maro eto an-drenivohitra no nisitraka fizarana vatomamy sy harendrina ary solombodiakoho avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Anisan’ny nisitraka izany ireo ankizy miisa […]
Tselatra
Vehivavy iray tratra nangarom-paosy teny Ambolokandrina, omaly maraina. Vehivavy miisa telo, raha ny fantatra, no miaraka manao io asa ratsy io eny an-toerana. Nangaronin’izy ireo ny paosin’ny vehivavy iray nividy sakafo maraina, ka lasany tamin’izany ny finday. Tratra ny iray tamin’izy ireo ary mbola hita tany aminy ny finday nangalariny. […]
Tsiadana: zandary sandoka naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana afakomaly, voatazona vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Tsiadana, boriborintany faharoa. Nitondra moto sady nanao fanamiana zandary mitondra tsipika roa io lehilahy io. Nifamaly tamin’ny mpitondra fiara iray teny an-toerana izy, ny 20 jona lasa teo. Nodakadakan’io lehilahy io anefa ny fiara. Nalainy ny […]





