Hanakoako manerana ny Nosy ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena politikan’i Madagasikara. Lanonana maroloko sy hetsika samihafa no hanakoako manerana ny tanàna. Hadinodino rafahantrana. Samy mampirevy ny ao an-tokantrano. Manao izay mampifalifaly ny vady aman-janaka na ny ray aman-dreny sy ny havana.
Zara aza misy hialana voly sy hialana vokona. Manatsotsotra fiainana mihitsy aloha hialana amin’ny adintsaina mikiky isan’andro. Samy mitondra izay anjara birikiny azo ifampizarana. Ny mpanao asa soa mizarazara izay azo homena. Ny mpanao politika mivaro-tena amin’ny fanolotolorana. Ny raim-pianakaviana mamorona ny tsy misy. Misy ny mahavita mangalatra sy mamono mihitsy hampifaliana ny menaky ny aina.
Angaha hita! Efa saron’ny fitiavan-tena ny ankamaroan’ny olona. Hatramin’ny mpitondra fivavahana aza izao efa samy jamban’ny vola. Mahavariana tokoa! Ny fivarotam-panahy no mahazo laka, hany ka hadino ilay masina ny tanindrazana, fototra sy ivon’ny fety rahampitso.
Atsipy ihany ny tady eny an-tandroky ny omby. Agorisa ny teny ao ampon’ny manam-panahy. Asaramanitra manko no resaka fa tsy sanatria Asara…mantsina. Ho takon’ny miiba ny miabo. Ho sembanin’ny ratsy ny tsara. Indray mandeha isan-taona ny fetin’ny « 26 jona » ka rariny raha ankalazaina anaty fahamendrehana.
Manaova fety sambatra daholo!
r.r




