Fetin’ny fahaleovantena: marihina anatin’ny firaisankina

Toy ny isan-taona, maro ny manao asa sosialy isam-pokontany. Misy ny fizarana harendrina sy vatomamy ho an’ny ankizy, solombodiakoho ho an’ny zokiolona. Hiavaka ny fankalazana amin’izao Fanavaozana izao.

Fokontany maro eto an-drenivohitra no nisitraka fizarana vatomamy sy harendrina ary solombodiakoho avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Anisan’ny nisitraka izany ireo ankizy miisa 5 000 teny amin’ny fokontany Ankorondrano Atsi­nanana, Ankorondrano Andra­nomahery, Ankorondrano An­drefana, Ankazomanga An­draharo, Tsaramasay, Avara­doha, Mahavoky, Betongolo.

Notolorana fotsimbary sy solombodiakoho ny beantitra rehetra tao Ankorondrano Atsinanana, izay anisan’ny fokontany ahitana olona marefo sy sahirana ara-pivelomana maro indrindra ao amin’ny boriborintany fahatelo. Miisa 170 izy ireo no nahazo tohana manokana tamin’ny solombavambahoaka, Rakotoharitiana Navalona Francky. Nilaza ity farany fa zava-dehibe mandritra ny Fanavaozana ny fivoizana ny fihavanana anatin’ny fifampitsinjovan’ny mpiara-belona. Ho mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fanajana ny soatoavina malagasy tahaka izany. Mifanentana rahateo amin’ny lohahevitra nitondrana ny fankalazana mandritra ity taona 2026 ity izany.

Partager sur: