Auteur/autrice : Adnews

Ankazoabo Atsimo : ankizy varira avotra

Avotra soa aman-tsara ny ain’ilay ankizy varira 11 taona nalain’ny dahalo an-keriny, tao Ankazoabo Atsi­mo, niaraka tamin’ny omby. Tafaverina teo anivon’ny ankohonany, afakomaly, izy. Tafaverina amin’ny tompony koa ireo omby nalain’ireo dahalo tao Bealanana, Toliara II, rehefa natao ny fanarahan-dia nandritra ny iray andro. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny fokonolona sy ny […]

Herisetra ara-nofo: lehilahy iray tratra nanolana ankizivavy roa

Fanararaotana miharo he­risetra tsotr’izao! Tra-tehaka ny lehilahy iray na­nolana ankizivavy roa izay vao 4 sy 9 taona. Tokony homena ny sazy henjana! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Fila­minam-bahoaka Diana tao Ambodivoanio, ny sabo­tsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy roa. Tonga na­metraka fitarainana teny amin’ny biraon’ny polisy Ambanja ny raim-pianakaviana iray […]

Ampitatafika: fiara namoa-doza, iray maty, 8 naratra

Tapaka hisatra sa mamo ? Namoa-doza ny fiara tsy mataho-dalana, omaly, teny Ampitatafika. Renim-pianakaviana iray maty, valo naratra. Saika nisy fitsaram-bahoaka ! Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray, olona valo na­ratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Avaratra tetezana Ampi­ta­tafika, omaly hariva tamin’ny 6 ora sy 56 minitra. Fiara tsy mataho-dalana iray nidina avy […]