Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra- « Coupe Regionales u19 »: norombahan’ny ekipan’Itasy ny 20 tapitrisa Ar

Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0. Azon’ny ekipa voa­fantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja […]

Horonantsarimihetsika : tafaverina ny « Malok’ila »

Tontosa tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Mining Business Ivato, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny horonantsarimihetsika “Ma­lok’ila Le Grand Retour». Hanomboka amin’izay, araka izany, ny fandefasana ity ho­ronantsarimihetsika malaza ity manerana ny Nosy. «Teo amin’ny manodidina ny enim-bolana teo no nikaondoha nanao azy ny rehetra […]

Misaona ny kanto : nodimandry i Claudine, vadin’i Jaojoby

“Nilazaon’ny manangy tsy mirenireny fa mpamelom-bady aman-janaka atsika. Maty tamin’ny 00.30 teo ny vadiko Zafinera Claudine Robert”, hoy ny filazana nataon’i Jao­joby, ny marain’ny sabotsy teo. Efa niady tamin’ny aretina nandritra ny fotoana elaela i Dina na i Claudine. Tsy nahatohitra izany izy ka izao nindaosin’ny fahafatesana izao ity mpanakanto […]

Fifaninanana asa soratra: mpandresin’ny « Prix Orange du livre en Afrique » i Michèle Rakotoson

Nisongadina indray ny asa soratra tamina fifaninanana afrikanina. Malagasy mpanoratra sy trano mpamokatra Maorisianina no fototra nahazoana izao vokatra izao. Rakotoson Michèle, araka izany, no nandimby an’i Yamen Manai, izay mpandresin’ity fifaninanana ity, ny taona 2022. Azon’i Michèle Rako­toson, ny laharana voalohany, tamin’ny fifaninanana «Prix Orange du livre en Afrique», […]