Auteur/autrice : Adnews

Fanetsehana ny antoko: miasa sy manamafy fototra ny Tim

Notanterahina teny Talata Volonondry, tamin’ity herinandro ity, ny fivoriana niarahan’ny depiote voafidy eny Avaradrano, Randriambolaina Gerry. Teo koa ireo biraon’ny distrika DisTim sy ireo ben’ny Tanàna ary mpanolotsaina voafidy amin’ity antoko ity. Eo koa ireo mpikatroka eny anivon’ny KomTim, avy amin’ireo kaominina miisa 16 eny an-toerana. Nohamafisina tamin’izany ny fototry […]

Ramamimampionona Gérard : “Tsabahin’ny vahiny ny firenena rehefa misaratsaraka”

“Tsy miteny aho hoe tsy tokony hiara-miaina amin’ny any ivelany. Tsy afa-miolonolona isika, fa tsy maintsy miara-monina amin’ny firenen-kafa. Izay no fanatontoloana. Nefa ao anatin’izay, tokony harahina tsara ny jeo-politika hahazoantsika mametraka ny maha isika antsika.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamima­mpi­onona Gérard, manoloana ny toe-draharaham-pirenena hoe tsabahin’ny vahiny amin’izao. […]

ASE : “Ahina ny tsy filaminana”

Mandinika ny zava-misy rehetra mitranga eny anivon’ny fiarahamonina ny «Apos­to­lat social et écologique» (ASE) ao anatin’ny fikambanan’i Jesoa, eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanom­boka omaly, etsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny telo andro anatanterahan’izy ireo ny andro sosialy. «Fi­fi­di­anana, filaminana sy fandriam-pahalemana» ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity. «Mitady hisy tsy […]

Fidinana ifoton’ny Ceni : nisitraka ny tambin-karamany ireo mpanisa mpifidy

Nitohy, omaly, tao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra ny fidinana ifotony tanterahin’ ny eo anivon’ny Ceni. Nanome toromarika sady nizara ny tambin-karaman’ireo nisahana ny fanisana mpifidy izy ireo tamin’izany. Anisan’ny nisitraka iza­ny ireo mpikambana eo anivon’ny “CLRE”, eny amin’ny fokontany sy ny kaominina “CEC”, niainga avy amin’ny volavola eo anivon’ny birao maharitry […]

Moramanga : fasana telo indray vaky, razana 22 nanjavona

Mirongatra indray ny halatra taolam-paty! Razana 22 indray lasan’ny mpangalatra taolam-paty nandritra ny vaky fasana tao amin’ny fokontany Camp des mariés Moramanga, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny lefitry ny lehiben’ny fokontany ny zandary avy ao amin’ny borigady Moramanga momba ny fisiana trangana vaky fasana tao an-toerana. Fasan-drazana telo ana fianakaviana […]