Auteur/autrice : Adnews

Faritra Fitovinany : te hahaleo tena ireo manana fahasembanana

Tanterahina any amin’ny faritra Fitovinany, ao Mana­ka­ra, ny herinandro faharoa ha­namarihana ny iray volan’ ny fiahiana sosialy. Lohahe­vi­tra novoizina ny fandra­isan’andraikitr’ireo olona ma­nana fahasembanana. Niompana tamin’ny fa­ha­leovantenan’ireo sokajin’ olona manana fahasembanana ny dinika ka nahafahana nihaino ny faniriany sy ny fomba fijeriny hanatsarana ny fiahiana azy ireo. Ni­son­gadina nandritra ny resaka […]

Fifidianana : sarotra ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana

Manana zo hahazo vaovao momba ny fifidianana sy haneho ny safidiny malalaka rehefa tonga ny andron’ny fifidianana ny olona manana fahasembanana. Volana maromaro mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana eto amintsika, tsy voaresaka mihitsy ny momba ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana, ara­ka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny tambajotra malagasy momba […]

Slam Poésie – amboara eran-tany : ny 16 mey 2023 no hiaka-tsehatra voalohany i Hichim

Tontosa omaly, teny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Madagaslam sy ireo mpanohana. Ny mahakasika ny fiadiana ny ho tompon’ny amboara eran-tany amin’ny Slam Poésie, fandaharam-potoana mandritra ny dia any ivelany, sy ny momba ny fifaninanana Madagaslam andiany faha -14 no noresahina […]