Nomarihina ny 5 mey lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy, nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rasazy. Nizara fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo mpanampy rehetra miasa ao amin’ny CSB Isotry Central ny fikambanan’ny paramédicaux eto Madagasikara (APM) satria zava-dehibe ny fiarovantena eo am-perinasa. «Mandritra ity herinandro […]
Auteur/autrice : Adnews
Croix Rouge Malagasy : nankalaza ny faha-60 taonany
Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Croix Rouge Malagasy (CRM) izany. Marolafy ny hetsika nentina nanamarihana izany. Nisy ny fanomezan-dra maimaimpoana sy fizarana sakafo ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena. Fotoana […]
Oniversiten’i Barikadimy : mandrahona ny PAT, masiaka ny Seces
Taorian’ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasa “PAT” (Personnel administratif et technique de l’université de Toamasina) ny talata, alarobia ary ny zoma, somary nisinda kely izany noho ny fifampiresahana tamin’ny prefet Toamasina, Ambinintsoa Jean José sy ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razanakolona Diny ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona. Hisy solontena alefa hiakatra […]
Mandrangobato I: diovina ny lakandrano ao anatin’ny fokontany
Ataon’ny olona fanariana fako sy maloto ny lakandrano eny Anosibe. Nandray andraikitra hanadio izany ny eo anivon’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I, nanomboka omaly. Nodiovina, nanomboka omaly, ny lakandrano eny amin’ny arabe ao anatin’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I. Diovina avokoa ny lakandrano eo anelanelan’ny Villa Tahirisoa hatreny amin’ny lakandrano Andranolava. Maharitra […]
Ozinina mpanodina tantely : mahazo vokatra 100 t isan-taona
Anatin’ny politikam-pirenena ny fametrahana ozinina 75 manerana ny Nosy. Ankehitriny, nahazo ny anjarany ny ao Manakara. Tafapetraka ny ozinina fanodidina tantely any an-toerana. Mahatratra 100 t isan-taona ny vokatra azo avy amin’ireo kaominina samihafa ao anatin’ity distrika ity. Hisy fiantraikany mivaingana amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’ny mponina ny fahazoana ny […]




