“Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fametrahana fitondrana tetezamita izany. Tsy hiray petsapetsa amin’izany isika. Mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Analanjirofo sy Atsinanana, ny herinandro teo. Nohenoiny tamin’ireo vahoaka amin’ny faritra nolalovany ny maharary azy ireo. Anisan’izany ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Depiote Randrianasolo Nicolas : “Ilaina ny fifampidinihana”
“Inona no manakana ny fitondram-panjakana hiantso ny mpanohitra na ny FFKM hanao fifampidinihana? Tsy tokony hataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao an-tsainy ny hoe fizarana seza izay fifampiresahana izay”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy sakanana avokoa ny mpanao […]
Fandrobana: nisy namaky ny foibe FFKM eny Anjohy
Asan-jiolahy sa resaka politika ? Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nisy namaky, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, ny foiben’ny FFKM, eny Anjohy. Efa nametraka fitoriana eny amin’ny polisy izy ireo, amin’izao fotoana izao. “Very tamin’izany ny ordinatera sy seza ary radio miaraka amin’ny kojakoja samihafa. Tsy mitombina kosa anefa […]
Fanazavan’ny Ceni sy ny minisiteran’ny Atitany : “Tsy voamarina ny fisian’ny fokontany matoatoa…”
Niteraka resabe tato ho ato ny momba ireo famoronana fokontany. Tsy misy akory ny resaka lisitra fanampiny, any atsimon’ny Nosy. Nanamafy ireo zanaky ny faritanin’i Toliara ny herinandro teo fa tsy mitombina velively ny filazan’ireo mpanao politika sasany fa faritra fanaovana hala-bato ny any amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny famoronana […]
Hamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy : voarara tsy mahazo miditra eto i Dylan Thiry
Hohamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy ka handray fepetra ny governemanta amin’ny tsy fahafahan’i Dylan Thiry miditra eto Madagasikara intsony. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy momba ny fivoahan’ilay hafatra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” mahakasika fanondranana zazakely ataona teratany vahiny iray antsoina hoe Dylan Thiry. Nanazava ny polisy fa raha ny lalàna […]




