Auteur/autrice : Adnews

Teteza-miitatra !

Raha ny vaovao miely ankehitriny dia hisy indray ny tete­zamita. Asa, mety hisy hifandraisany amin’ny fitarazohan’ny fanomanana ny fifidianana angamba izany ? Ny zava-misy aloha dia mirona kokoa any amin’ilay fanemorana. Ny fanavaozana ny lisi-pifidiana aza mandrak’izao mbola tsy mety vita, noho ny antony samihafa, indrindra ny lafiny teknika sy ny […]

Hala-jaza : saika hamidy 2 800 000 Ar ny ankizy iray

Fahasahiana tsotr’izao! Nidoboka am-ponja eny Antanimora ireo mpivady sy ny rafozam-baviny niaraka tamin’ny dokotera voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fikasana hivarotra an-tsokosoko zazamenavava tamin’ny vazaha. Nokasaina hamidy 2 800 000 Ar ny iray amin’ireo zaza… Nidoboka am-ponja vonjimaika, eny Antani­mora, ireo olona efatra (mpivady, rafozam-bavy ary dokotera) voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fikasana […]

Zava-mahadomelina : taksibrosy nahatrarana rongony 5 gony

Sarona tao amina fiara mpitatitr’olona, mampitohy an’Ambanja sy Mahajanga, ny rongony 150 kg, omaly. Nafe­nina tao anaty gony maromaro, nokasain’ny tompony hamidy any Mahajanga ireto entana ireto. Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisavana teny amin’ny lalam-pirenena ny fiara nitatitra izany. Voasakana, tra-tehaka tao anaty taksibrosy ny gony mi­isa 5 feno […]

Ambondrona – Mahajanga: taolam-paty hita tao anaty kirihitra

Narian’ny olona tsy fantatra, taolam-paty am-polony tao amin’ny fokontany Ambondrona – Potomainty, ny sabotsy 06 mey teo. Renim-pianakaviana iray sendra nandalo no nahatsikaritra ny fisian’io tranga io. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitra ao an-toerana izy. Nidina ifotony ireto farany nanamarina ny zava-misy. Nipetraka anaty kirihitra ny taolan-dava maromaro. Tsy fantatra […]