Auteur/autrice : Adnews

Ligim-paritra U19 : mitohy ny fitiliana ny Barea U20

Ho fiatrehana ny Cosafa U20, hotanterahina manomboka anio, any amin’ny faritra Ihosy sy Mahajanga, ny fifaninanam-pirenena, amboara rezionaly, ho an’ny sokajy U19. Marihina fa natao hitiliana ireo Barea zandrikely ity dingana faharoan’ny fifanin­tsanana ity. Misy ekipa valo izy ireo no tafita amin’ity dingana manaraka ity, anisan’izany i Sava, Atsinanana, Boeny, […]

Kitra – «Jeux de la Francophonie» : 24 avy eto an-toerana, 6 mila ravinahitra voaantso Barea

Nivoaka, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao 30 mirahalahy nantsoina handrafitra ny Barean’i Madagasikara, sokajy U20. Hanao ny fifaninanana ho an’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie 2023” izy ireo. Ahitana mpilalao mila ravinahitra 6 ny ekipam-pirenena. Ho fiatrehana ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie 2023”, izay hatao […]

Mamonjy aina ny fanasana tanana : afaka misoroka otrikaretina maro

“Miara-mientana isika, ndao hanasa tanana, satria mamonjy aina ny fanasana tanana”. Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka nanao hetsika koa ny teto Madagasikara. Ny 80%-n’ny otrikaretina azo eny amin’ny tobim-pahasalamana dia avy amin’ny tsy fanasan’ny mpiasan’ny fa­hasalamana, marary ary ny mpiandry marary tanana […]

Peace Corps : mpilatsaka an-tsitrapo 21 vita fianianana

Mpilatsaka an-tsitrapo 21 mianadahy indray no nahavita fianianana, omaly, teo anoloan’ny Mpanolotsaina voalohan’ny Ambasady ame­rikana, Tobias Gluck­s­man. Hanampy isa ireo efa eto an-toerana izy ireo hiantsehatra amin’ny asa sosialy any amin’ny toerana ambanivohitra. Miverina tsikelikely ny asan’ny Peace Corps ankehitriny, taorian’ny fampodiana faobe ireo mpilatsaka an-tsitrapo, vokatry ny valanaretina Covid-19, […]

Tetikasa  Iarivo Speaking English : tanora 60 mianadahy mahafehy ny teny anglisy

Mpianatra 60 mianadahy, nanaraka ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Iarivo Speaking English », no notolorana mari-pankasitrahana, omaly , tetsy amin’ny Tranompokonolona Ana­la­kely. Nisalotra ny anarana “Pride of Iarivo” ity andiany fahatelo ity. Nianatra nandritra ny efa-bolana izy ireo ary ma­havoafehy tanteraka ny teny anglisy […]