Nanomboka ny talata teo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo olona mikarakara ny kara-tany , eny amin’ny kaominina Ivato. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, hanaovana kara-tany faobe, hahafahan’ireo olona misitraka ny taniny ara-dalàna ny hetsika. Manodidina ny 1.000 isan’andro ny olona tonga manao ny fangatahana kara-tany ao anatin’ity hetsika […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanondranana zaza antsokosoko : tsy afa-miditra eto Madagasikara intsony i Dylan Thiry
Nanao fanambarana iombonana omaly, ny minisitera 5 voakasiky ny raharaha Dylan Thiry, ilay voalaza fa nanao fanondranan-jaza antsokosoko. Nisy ny horonampeo niparitaka teny amin’ny tambajotra sosialy izay niaingan’ny fanadihadiana. Vantany vao nitranga ny fiparitahan’ny horonampeo dia nanao fanadihadiana avy hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena misahana manokana ny fivezivezena eny amin’ny […]
Tsy mbola ampy ny amperinasa eto amintsika : am-polony ireo rasazy mitady ravinahitra any ivelany
14 500 ny isan’ny rasazy voasoratra anarana ho mpikambana ao anatin’ny holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny holafitra, Ranoromalala Oméga, omaly teny Ivato. Tokony miditra ho mpikambana avokoa ireo mpianatra vaovao nahazo ny diplaoma licence, taorian’ny fianarana telo taona na Master raha mbola nanohy, araka ny voafaritry ny lalàna. […]
Tsy nandray karama 4 taona: hampiato ny fampianarana ireo vakatera amin’ny oniversite
Maro tamin’ireo mpampianatra vakatera eny anivon’ny ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana ny tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona. Manaitra ny sain’ny fanjakana izy ireo, noho izany, alohan’ny hampiatoana ny fampianarana. Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, teny Ankatso, ireo mpampianatra vakatera miasa eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo sy ny Seces, omaly. […]
“Maninona e” : hisehatra any Toamasina i Hanitra Ranaivo
Handalo an-tanindrazana i Hanitra Ranaivo. Efa maro ireo mpankafy no faly raha naheno izany. Mainka fa hoe hisy ny fampisehoana hataony mandritra izany. Ny efa fantatra aloha dia ny 30 mey amin’ ny 4 ora sy sasany, any Toamasina. Amin’io fotoana io ihany koa no hahafantarana izay ho mpandresy tamin’ny […]




