Auteur/autrice : Adnews

Rugby – XXL Top 20 : hano­hitra ny TFA Anatihazo ny XV Fa Ampasika

Hitohy rahampitso alahady 16 avrily, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana hi­songadina, ny fifanandrinan’ny TFA Anatihazo sy ny XV Fa Ampasika. Adin’ny samy kartie ka heverina fa ho toy ny famaranana […]

“Playoff – OPL” : ho fantatra anio sy rahampitso ireo ekipa 8

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faran’ny fifaninanam-pirenena “Oran­ge Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka izany, ho fantatra aorian’ny voka-dalao rehetra ireo ekipa valo hanao ny “Playoff 2023”. Tsiahivina fa mbola ekipa efatra ihany hatramin’izao no efa tafita, anisan’izany ny ekipan’ny Fosa Junior FC Boeny, Cosfa Analamanga, ho an’ny […]

Basikety : raikitra ny “Mibala Tournament”

Andro sisa hisaina dia hi­gadona ny fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, karakarain’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar). Fifaninanana hotanterahina ny 17 hatramin’ny 24 avrily ho avy izao. Hizara roa ny kianja handray ny lalao, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Hisy ny lalao hatao ao amin’ny Espace Ravintsara Mahama­sina. Hisy kosa […]