Auteur/autrice : Adnews

ONE : manan-kery ny fahazoan-dalan’ny Base Toliara

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena mikasika ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija, ny ben’ny Tanànan’ Ankilimalinike, Toliara II, Mahatoro Longin, ny alakamisy lasa teo. Voakasik’izany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (EIE), efa azon’ny orinasa. Notaterin’ny ben’ny Ta­nàna, Mahatoro Lon­gin, ny tena zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao, misy ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa […]

Fandaharanasa SSH : hamatsy vola ireo fikambanana sy ONG

Hatramin’ny 31 mey izao ny fanaterana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana amin’ny fangatahana fa­matsiam-bola, amin’ny ala­lan’ny fandaharanasa “Am­bassador’s Special Self Help Small Grants Program” (SSH). Iantsoan’ny masoivoho amerikanina ny fahavitri­han’ireo fikambanana sy ONG mijoro ara-panjakana sy ara-dalàna eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy Co­mores izany. Tanjona ny hanohanana ara-bola ireo tetikasa […]

Distrikan’Avaradrano : tobim-pahasalamana 6 voahosotra ho sakaizan’ny Wash

Notanterahina teny amin’ny CHRD Anosy Avaratra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana, ny faran’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fanajana ny fahadiovana sy fidiovana izany ny tobim-pahasalamana 6 ao amin’ny distrikan’Avaradrano ka anisan’ireo filamatra sy maodely. Anisan’ny nahafeno ny fepetra nahafahana nanasokajy […]

Mbola mamely ny Covid-19: 43 ny trangan’aretina vaovao

Toy ny mahazatra.Nanao tatitra mikasika ny tranga Covid-19 nandritra ny herinandron’ny 25 hatramin’ny 31 marsa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra tamin’izany fa nahitana tranga vaovao 43 indray eto Madagasikara. Ao amin’ny faritra Vakinankaratra avokoa ny 26 amin’ireo ary eto Analamanga ny 24. Nahitana tranga telo vaovao kosa […]

Fandraisana an-tanana ny fahasalamana : nofanina hahay handresy lahatra ireo tomponandraikitra

Zava-dehibe ny fandraisana an-tanana ny ara-pahasalamana eny anivon’ny orinasa sy ny minisitera. Nomena fiofanana mifandraika amin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena . Nofanina tetsy amin’ny LMA Ampefiloha, mi­kasika ny fanentanana ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena, hiditra ho mpikambana ao anatin’ny sehatra fandraisana an-tanana amin’ny ara-pahasalamana na ny […]