Niaiky azy ny rehetra… 90 taona, fa mbola mahazaka sehatra tsara i Henry Ratsimbazafy. Nandona ny fon’ny mpankafy indray ny nahita azy an-tsehatra, omaly… Fampisehoana nanjakan’ny fihetseham-po tanteraka. Ny fahitana an’i Henry Ratsimbazafy nijoro teo amin’ny sehatry ny CCEsca Antanimena fotsiny, dia efa nampihoraka ireo mpankafy nameno ny trano. Hatramin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Otrikafo momba ny fifidianana : “Mila hifampidinihana izay mampiady hevitra”
“Mbola resabe amin’izao ny amin’ny fanomanana ny fifidianana. Tonga hatramin’ny adihevitra hoe mety hisian’izany na tsia. Tsy misakana ny hisian’ny fifidianana na tsia izahay, tsy hahasakana an’izany rahateo”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Miezaka tsy hikitika ny lalàm-pifidianana ny fitondram-panjakana, fa io no irosoana any amin’ny fifidianana. Nefa […]
Fifidianana ; miantso ny HCC ny RDS
“Manasa ny HCC hifampiresaka amin’ny mpisehatra amin’ny fifidianana mba hahazoana mamantatra ny hetahetan’izy ireo, hananany toky fa fijery ara-drariny amin’ny fanapahan-kevitra raisiny no ataony ao anatin’ny asa sahaniny”, hoy ny Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filohany, Rakoto Andrianirina Fetison. Tokony hanazava ny andraikiny amin’ny fifidianana koa ny HCC. […]
Fandrarana hetsika ankalamanjana: nohelohin’ny MMM ny fanambaran’ ny minisitra Tokely
Tsy niandry ela fa nitondra valin-kafatra manoloana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny 31 marsa teo, ny antoko Malagasy miara-miainga. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo tamin’izany. Nasongadin’ny fanambaran’ny MMM fa tsy afaka ny hangina izy ireo amin’ny fepetra fandrarana ireo hetsika ara-politika atao ankalamanjana […]
Fiatrehana fifidianana : miantso fampitsaharana herisetra ny FFKM
“Mahatsapa ny FFKM fa mitombo ny fifampihantsiana. Koa manamafy ny antso efa nataony ny FFKM hitandroana hatrany ny fiadanana sy ny fandriampahalemana ary ny fihavanana ka hampitsaharana ny herisetra amin’ny endriny rehetra.” Io ny fanambaran’ny FFKM, novakin’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny famaranana ny fihaonambe voalohan’ny solontenan’ny faritra […]




