Auteur/autrice : Adnews

Mila matoky tena

Izay fantatra, hono, no tiana, raha tsara sy mety amin’ny tena. Izay tiana no hajaina, izay hajaina no omen-kasina, izay omen-kasina no mahasaro-piaro, izay mahasaro-piaro no tandrovina toy ny anakandriamaso… Mby aiza? Manomboka eo amin’ny tsirairay aloha. Tena mahalala tena ve? Kibo mitsara tena ny tsirairay: iza izy, hanao inona, […]

Nivadika sady nirehitra : 7 namoy ny ainy, kila tao anaty fiara

Olona 7 niara-namoy ny ainy vokatry ny firehetan’ny taksiborosy mampitohy an’ Ambovombe sy Taolagnaro, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nitondra mpandeha miisa 24 ity fiara mpitatitr’olona ity. Niva­rina tampoka teo amin’ny fiolanana mivoaka 1 km ny fo­kontany Bevilany mi­hazo an’Ambovombe Androy izy ireo. Samy nanavotra ny ainy, araka izany, ireo mpandeha. […]

Ampefiloha : mpirahalahy tratra teo am-pitsindronana zava-mahadomelina

Voasambotry ny polisy teo Ampefiloha noho ny fitsindronana zava-mahadomelina ma­hery vaika ny tovolahy roa (mpirahalahy). Teo akaikin’ny tranony ihany izy roa lahy no tratran’ny polisy niaraka tamin’ireo zava-mahadomelina. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny fitaovana fampiasany amin’izany. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny fisian’ireo roa lahy mitarika tsy fandriampahalemana eny an-toerana […]

Tonga hatrany Befandriana : tratra ireo mpanaparitaka vola sandoka

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Befandriana Avaratra, ny zoma teo, ny olona roa voarohirohy ho mpanaparitaka sady mpanamboatra vola sandoka. Voalazan’ny fampitam-baovao, miely ny feo fa misy andian’olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanànan’i Befandriana Avaratra. Nanao ny fitsongoan-dia ireo jiolahy ahiahiana ny polisy. Noha­mafisina ny fisafoana ireo fitaovam-pitaterana mifamezivezy, […]

Anosizato : mpivarotra amoron-dalana iray matin’ny jiolahy

Nirefotra ny basy teny Ano­sizato andrefana, ny sa­botsy teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy teny an-toerana, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo. Olon-dratsy telo lahy no niditra toy ny olon-drehetra tamina tokantrano iray teny an-toerana. Nirongo basy ireto mpanafika ka nandroba vola tao amin’ireo tompon-trano. Tao­rian’izay, nitsoaka ny olon-dratsy. Nahazo […]