Auteur/autrice : Adnews

Fifanintsanana «Can 2023» : najanona i Ibrahim sy i Datsiry

Tsy anisan’ireo nihazo an’ i Douala Cameroun i Ibrahim sy i Datsiry amin’ny fiatrehana ny lalao miverina hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja baolina kitra. Fihaonana, hikatrohana amin’ny Les Fauves-n’i Centrafrique ary tafiditra amin’ny andro fahefatra. Noho ny ratra nahazo azy ireo no anton’izany, araka ny […]

Toeram-pikotranana Anosy : natao hisarihana ny tanora hanao fanatanjahantena

Noho ny fahitana ny firongatry ny tanora mifoka zava-mahadomelina, nasiana fitaovana ara-panantanjahatena eo Anosy, mba hanoherana iza­ny. Nosokafan’ Andriatsito­haina Naina, ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivohi­tra (CUA) tamin’ny fomba ofisialy izy io, omaly, niaraka tamin’ny masoivohon’i Chi­ne. Tsiahivina fa efa ao ana­tin’ny tetikasan’ny ben’ny Tanànan’ny CUA ny hampivoatra ny fanantanjahantena sy ny fialamboly […]

Basikety: hilalao ao amin’ny Lamelo Ball i Donovan

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety malagasy any ivelany. Voaantso hilalao ao amin’ny Lamelo Ball, ny mpilalaon’ny Ankoay, Ra­ko­tonanahary Donovan, amin’izao fanombohan’ny taom-pikatrohana izao. Nambarany fa hilalao amin’ny AAU (Ama­teur Athletic Union), Team 1 OF 1 izy ary miaraka amin’ny ekipan’ny Lamelo Ball. Ny taona 1888 no efa nisy ny […]

ANS Ampefiloha : « Lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra », hoy Ranavela Charles

Naneho ny alahelony ireo mpampianatra sy mpianatra taloha teny amin’ny ivontoerana Academie Nationale des Sports Ampefiloha, toa an-dRanavela Charles, omaly. Voalaza fa lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra. «Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria lasan’ireo tsy mahita trano eto Antananarivo ny efitrano rehetra ho an’ny mpianatra eto amin’ny ANS Ampe­filoha », hoy […]

26 marsa 2023 : 200 taona ny lalàn’ny abidia malagasy

Raha ny tantara voasoratra, ny mpanjaka Radama I, no namoaka ny lalàna momba ny abidia malagasy ny 26 marsa 1823. Anisan’ny hanamarika io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy, Havàtsa-Upem. Hetsika ho­tan­terahina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hevi-dehibe hiompanan’ny […]