Auteur/autrice : Adnews

ONMAC : hatsaraina ny tsangambaton’ireo mpiady tranainy

Manatsara ny tsangambato fahatsiarovana ireo malagasy niady tamin’ireo ady lehibe roa eny amin’ny farihin’Anosy ny Ofisy nasionalin’ny mpiady tranainy (ONMAC), tarihin’ny Jly Raharijaona Faly Michel. Fia­raha-miasa amin’ny sampandraharahan’ny fiarovana eo anivon’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izany. Ao anatin’izay fiaraha-miasa izay koa ny fanomezana fiahiana ireo mpiady tranainy fony mbola fahavelony […]

8 marsa: mahaleo tena ny vehivavy mpandraharaha

Nihaona teny Ambo­hitsoa ireo vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny fikambanana A-FAM (femmes autoentrepreneures à Madagascar), omaly. « Mahaleo tena ny vehivavy mpandraharaha sy mahay mamaha olana ary manatsara ny lesoka nisy teo amin’ny fiainany sy eo anivon’ny asa fandraharahany”, hoy ny filoha mpitantana ny Chic et Curly, Karmen. Nilaza izy fa matahotra […]

Asa vonjy voina ao Marovoay : hanohanana ireo traboina taorian’ny rivodoza Cheneso

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, tokantrano maherin’ny 4 200 no traboina tao amin’ny distrikan’i Ma­rovoay. Rehefa nanome toromarika ny BNGRC, natomboky ny Fonds d’intervention pour le développement (FID) ny «Asa vonjy voina». Ha­nam­piana ny mponina any an-toerana hiarina haingana ary hiverina amin’ny fiainana andavanandro no tanjona. Teo ny asa fanarenana sy […]

vatsim-pianarana : misokatra ny fangatahana

Misokatra ny vatsim-piana­rana avy amin’ny Sam­pandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny si­ansa sy ny kolontsaina, Unes­co, ho an’ity taona ity. Na­toka­na ho an’ny tanora siantifika, anatin’ny fandaharanasa miompana amin’ny olombelona sy ny tontolony izy io na ny vatsim-pianarana MAB. Tanjona amin’io vatsim-pianarana io ny fampirisihana ny tanora siantifika, indrindra ireo tanora […]