Notoloran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) fiarabe misy fitaovana afaka mivezivezy (clinique mobile) efatra indray ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, teny amin’ny HJRA. Hanampy amin’ny fahaizan’ny mponina miatrika, taorian’ny voina sy ny valanaretina ny fitaovana ary hanatona ny vahoaka any amin’ny toerana lavitra. Betroka, Taolagnaro, Antanambao Toliara, ary Ambovombe […]
Auteur/autrice : Adnews
« Sarobidy ny aiko »: hetsika sosialy manakaiky vahoaka
Nanainga omaly nihazo an’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo ny fiarabe maromaro hitondra tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana manatona vahoaka « Sarobidy ny aiko ». Miavaka ny tolotra satria mitovy amin’ny omen’ny hopitaly lehibe, miaraka amin’ny fitaovana avo lenta sy mpitsabo manam-pahaizana manokana, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, teny am-piaingana. Hisitraka ny hetsika sosialy avokoa ny distrikan’Avaradrano, Atsimondrano, […]
Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka: “Tsy nanome fahazoan-dalana hampianatra ho mpitsabo nentim-paharazana”
Namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny firongatry ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanterahana ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanokafana toeram-pitsaboana nentim-paharazana sy ny fanatanterahana fitsaboana mifandraika amin’izany. Tsy manome fahazoan-dalana velively hanofana ho mpitsabo nentim-paharazana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka satria nolovaina fa […]
Fotodrafitrasa -CUA: nahazo 10 tapitrisa euros avy amin’ny AFD
Nifanaraka omaly, ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, tamin’ny AFD (Agence française du développement) ny amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto an-dRenivohitra. Nanome vola 10 tapitrisa euros ity farany. Ho enti-manatsara ny fiainan’ny mponina ihany koa izany, ankoatra ny fandaharanasa iray ho an’ny fivezivezena eto Antananarivo Renivohitra, […]
Bas-Mangoky: 5,3 t isaky ny ha ny voka-bary
Mitombo ny voka-bary any amin’ny lemaka Bas-Mangoky, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, rehefa hita ny vokatra tamin’ ny janoary 2023 teo. Tsapa izany taorian’ny fanajariana natao avy amin’ny famatsiam-bola tamin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Ny asa natao teo anelanelan’ny 2013-2021 ho fanatsarana ny fambolena any amin’ny faritra. Fantatra […]




