Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena (HCC), ny 25 janoary teo, fa mifanaraka tsara amin’ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mitondra fanovana ny sata mifehy ny tobim-panafody (Dépôt de médicament). Voakasik’izany ny sata mifehy ny fahasalamana efa nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, momba ny toeran’ny tobim-panafody eken’ny lalàna. Voalaza ao anatin’ny fanovana […]
Auteur/autrice : Adnews
Tomira Toliara: mpilatsaka an-tsitrapo 200 nanadio lakandrano tany Toliara
Mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanànan’i Toliara ny fikambanana Tomira. Nanao asa tanamaro nanadiovana lakandrano izy ireo, notohanan’ny orinasa Base Toliara. Manana tanjona hanatsarana ny tanànan’i Toliara ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Ankoatra ny fidiram-bolany manokana, misy koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny mpisehatra samihafa, ahazoany fitaovana. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Vita […]
Tatitra- Covid-19 : nahitana tranga vaovao telo eto Analamanga
Toy izao indray ny tatitra mikasika ny vokatry ny fitiliana ny valan’aretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro, ny 11 hatramin’ny 17 febroary lasa teo. Miisa telo ireo tranga vaovao eto amin’ny faritr’Analamanga, raha ny tatitra omaly. Fantatra fa miaina ao anatin’ny trangana fahasarotana ny olona iray amin’ izy ireo. Efa manaraka […]
Meteo, BNGRC : hentitra amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza
Nivory maika ny foibe famantarana ny toetry ny andro sy ny BNGRC niaraka tamin’ny mpiara-miombon’ antoka nametraka ny paikady hanalefahana ny fiantraikan’ny loza amin’ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy, voalaza fa tena mahery vaika. Nandray anjara feno koa tamin’ny alalan’ny dinika nampitain-davitra ireo tompon’andraikitra eny ifotony amin’ireo faritra vinavinaina ho voakasiky ny […]
SSM – Sosialin’ny mpiasa : “Vahao ao anatin’ny iray volana ny olanay”
Nihaona teny Antsahamanitra ireo mpiasa mivondrona ao amin’ny SSM (Solidarité syndicale de Madagascar), afakomaly. Nandinika ny fitakiana ireo sosialin’ny mpiasa sy niarahaba tratry ny taona izy ireo, tamin’izany. Nitaky ny hisian’ny tombotsoa iraisana eo anivon’ny mpiasam-panjakana ihany koa. Manome iray volana ny fanjakana izy ireo hamahana ireo olana ireo. Tokony […]




