Auteur/autrice : Adnews

“Tagnamaro” : nodiovina ny Rovan’Ilafy

Sabotsy fahatelon’ny volana, fanaovana ny “Tagna­maro” manerana ny Nosy. Ni­safidy ny Rovan’Ilafy ny mi­nisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera foibe, nanatontosana izany ny asabotsy teo. Fana­diovana ny tokontany malalaka, fanamboarana ny zaridaina ary fanalana ireo kirihitra manodidina no marimarina kokoa nitondrana “Tagna­maro” teny amin’ity vakoka manan-tantara ity. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny […]

Kabary – Fi.Mpi.Ma : hoentina mitety faritany ny hetsika faha-60 taona

Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma), zokiny indrindra eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy. Niavaka noho ny hita hatramin’izay ny zava-nisy nandritra ny fanokafana ny faha-60 taonan’ity fikambanana ity. Notontosaina tetsy amin’ny Araben’ny Faha­leovantena Analakely sy teo anoloana ary tao anatin’ny Lapan’ny tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra ny asabotsy teo, ny […]

Antoko Vitm : hankalaza ny faha-50 taonany

“Teo lalandava ny antoko Vonjy iray tsy mivaky hatramin’izay”, hoy ny filoha nasionalin’ny Vitm, Razana­bahiny Christian, ny amin’ny fankalazana ny faha-50 tao­nan’ny antoko tarihiny. Manao ny fanaovazana ny fanehoam-pisiana isan-taona eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny antoko, ary mpikamban’ny International so­cialiste (IS). Tamin’ny taona 1973 no niorenany, nifandraika tamin’ny raharaha 1972-1973. […]

Andriamalazaray Andoniaina : “140 miliara Ariry no enti-manana ny fifidianana”

“Ny fifidianana filohan’ny Repoblika hatao amin’ny 9 novambra ny fihodinana voalohany ary amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, heverinay fa tokony hanokanana vola 140 miliara Ar any ho any”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriama­la­za­ray Andoniaina, momba ny vo­la enti-manana ny fifidi­anana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa. Heverin’ny […]