Auteur/autrice : Adnews

Tenisy – Afrika U18: hiatrika ny manasa-dalana i Miotisoa sy i Gloriana

Hotanterahina androany, ny lalao manasa-dalana iarahan’ny olon-droa, taranja te­nisy, Afrika sokajy vehivavy U18. Fifaninanana atao any Le Caire, renivohitr’i Egypte. Hifanandrina amin-dRasendra Miotisoa, mpilalao Malagasy sy Gloriana Nahum, mpilalao Bénin, amin’izany ry Jermine Sherif sy Mariam Atia, mpilalao Egypsianina. Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana an’izy roa mirahavavy ireto, lavon’i Miotisoa […]

Basikety-Mondial 3×3 : mbola manana ny anjara toerany ny vehivavy malagasy

Fandaharam-potoana le­hibe miandry an’i Madagasi-kara, amin’ity taona 2023, eo amin’ny taranja basikety, ny fiatrehana ny fiadiana ny am­boara eran-tany 3×3. Efa tafita hiatrika izany ny ekipa malagasy lehilahy, mbola hiady toerana kosa ny sokajy vehivavy. Mbola manana ny anjara toerany anefa ireto farany, misy toerana telo banga amin’ ity “Mondial […]

Africa Rugby: hirotsaka hofidiana Rakotomalala Marcel

Anisan’ireo hilatsaka hofidiana, ao anatin’ny komity mpitantana ny Africa Rugby Rakotomalala Marcel, filo­han’ny Federasiona malagasy ny baolina lavalava. Araka ny vaovao nambaran’ity farany ity teny Ankorondrano, omaly, dia any Cap Town Afrika atsimo, ny 18 martsa ho avy izao no hanaovana ny fifidianana. Tsy hirotsaka ho filoha mpitantana ny Afrika […]

Malagasy Rugby: hanao lalao iraisam-pirenena maro ny Makis

Amin’izao taom-pilalaovana 2023 izao, hanatrika fihaonana iraisam-pirenena maro ny Makis an’i Madagasikara. Miisa dimy ireo ekipa Makis hanao izany lalao izany, araka ny fanazavana nentin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby. Miisa dimy ireo ekipa Makis an’i Madaga­sikara hanao lalao iraisam-pirenena, taranja Rugby, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity. Isan’izany ny Makis U20, ny […]

Asa fanaovan-gazety : ho avy indray ny karatra maha matihanina

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fanaterana ireo antontan-taratasy ho an’ireo te hisitraka ny karatra maha matihanina eo amin’ny asa fanaovan-gazety, raha ny nambaran’ny mpitondra teny eo anivon’ny OJM Ambohi­dahy, omaly. Manomboka ny 9 febroary hatramin’ny 30 Marsa hoavy izao ny fanaterana izany eny anivon’ny trano foibe OJM, Ambohidahy. Maro ny […]