Auteur/autrice : Adnews

Tsenabe Isotry : “Hojerena ny hetahetan’ireo mpivarotra”, hoy ny ben’ny Tanàna

«Ezahina hojerena ma­nokana ny hetahetan’ny mpivarotra, toy ny resaka jiro sy ny fotodrafitrasa ma­ro samihafa ary ny fi­taovam-pidiova­na», hoy ny ben’ny Tanànan’ Antana­narivo Renivohitra (CUA), Andriantsitohaina Naina, omaly, nandritra ny fitsidihana ny tsenaben’Isotry. Natao hijerena ny fandrosoan’ny asa amin’ny ankapobeny ity hetsika ataon’ny ben’ny Tanàna sy ny CUA ity. No­tsi­dihana […]

Tao anatin’ny iray volana : olona efatra matin’ny hanoanana

Amin’ny ankapobeny, mizara roa mazava ny fizaham-pahafatesana. Voalohany, ny fanambaram-pahafatesana ataon’ny mpitsabon’ny hopitalim-panjakana. Faharoa, ny mpitsabo misahana ny fitarihana ny Bmh, anivon’ny kominina no manambara ny anton’ny fahafatesana. Nisy fanadihadiana natao teo anivon’ ity sampandraharaha anivon’ny kaominin’ i Toamasina ity (Bmh), tamin’ny alalan’ny dokotera Bezandry Désiré. Namba­rany fa nandritra ny […]

Mila arindra ny asa eny ifotony, hoy ny praiministra : efa miasa ny ivontoerana nasionaly mandrindra ny asa anatin’ny hamehana

Ho hentitra kokoa ny fandrindrana ny asa ao anatin’ny hamehana satria efa mihodina ny ivontoerana manokana izay nampiasaina nandritra ny fandalovan’i Cheneso. Efa miasa ny ivontoerana nasionaly mandrindra ny asa anatin’ny hamehana sahanin’ny birao nasionaly mitantana ny loza sy ny tandindon-doza (BNG RC). Ivontoerana voalohany eto Madagasikara ity ahafahana mahazo […]

BAD sy Kanada : manohana PME ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Miara-miombon’antoka ny Banky afrikanina momba ny fa­mpandrosoana (BAD) sy ny governemanta kanadianina ha­no­kana tahiry ho fampirobobo­ana ny orinasa madinika hivelatra amin’ny sehatra fambolena sy fahaleovantena ara-tsakafo Nandritra ny fivoriambe mo­mba ny sakafo tany Dakar, tsapa fa vonona ireo orinasa madinika sy salantsa­la­ny  (PME) ha­meno ny banga ha­melona ny tontolon’ny tontolo […]