Tsy mitondra vola miditra ao anatin’ny kaominina Dabolava, faritra Menabe, ny volamena trandrahina ao an-toerana, hoy ny ben’ny tanàna Rakotonandrasana Jeanson. Tsy misy tamberim-bidy ho an’ny kaominina izany, noho izay tsy misy fanarahina izay, ka tsy ahafahana manao tamberin’andraikitra isan-karazany. Ratsy dia ratsy ny lalana ifandraisan’ny kaominina, sekoly tsizarizary … […]
Auteur/autrice : Adnews
CCI-Atsimo Atsinanana : nahazo filoha vaovao
Hitantana ny Antenimieran’ny varotra sy Indostria (CCI) ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, i Razafitianamalala Murielle, taorian’ny fifidianana ny alarobia teo. Nandritra ny fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana ny CCI ao an-toerana, nametraka ny fitokisany tamin’ity mpandraharaha anisan’ny manana ny maha izy azy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ity. […]
Manambolo: miha ripaka ny honko hatramin’ny taona 1980
Atahorana ny fitrandrahana ala honko tafahoatra sy ny fiovan’ny toetr’andro any Manambolo, morontsiraka Andrefan’ny Nosy. Anisan’ny miantoka ny fiainan’ny mponina anefa ny honko. Anisan’ny miantoka ny fiveloman’ny mponina, sy ny fitaovana ilaina ho an’ny fanamboaran-trano ny fisian’io ala honko io. Ilaina koa izy ho an’ny fitsaboana. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, […]
Eto afovoan-tany : hanevokevoka ny andro mandritra ny fety
Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro fa hahazo toerana ny rivotra maina sy mafana ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanana manditra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Saika hitoetra any amin’ny ilany andrefana kosa ny oram-baratra rahampitso mamarana ny taona. Tsy ahiana loatra ny hisian’ny toetr’andro mahery […]
Campus- Barikadimy : hoesorina ny mpianatra mandritra ny fanamboarana
Efa hatramin’ny 22 desambra lasa teo no nisian’ny fanambarana avy tamin’ny “service des oeuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ny mpianatra rehetra. Hisy ny fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa, toy ny trano fonenana, izay misy fahasimbana nohon’ny fahanterana. Eo koa ny simba vokatry […]




