Auteur/autrice : Adnews

Star-CUA: nitarina any an-tsekoly ny baka Kopakelatra

Miara-miasa ny orinasa Star sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny lafiny fitsinjovana ny tontolo iainana, ao anatin’ny tetikasa Kopakelatra. Notoloran’ny Star dababe manokana “baka Kopakelatra” ny sekoly EPP miisa fito eto an-dRenivohitra, ny 12 sy 13 desambra 2022, lasa teo. Tanjona iraisana ny hitandroana ny fahadiovana sy ny hitaizana […]

Judo-Mada 2022: fifaninanana hamaranana ny taona

Toy ny mahazatra, hofaranana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, ny taom-pikatrohana 2022, ho an’ny taranja Judo. Ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors no hifaninana mandritra izany. Fifaninanana hatao ny 28 sy 29 desambra 2022 eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsiahivina fa tontosa antsakany sy andavany avokoa ny fandaharam-potoan’ny federasiona […]

Kenpo/MMA-Mada 2022: nitiliana izay hanao « Mondial »

Nifarana omaly, teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, taranja kempo. Ady famaranana miisa 20 no nitranga, omaly zoma. Fifaninanam-pirenena andiany fahadimy hatramin’izay nisian’ny taranja kempo sy MMA (Mixed Martial Arts) teto Madagasikara ny tamin’ity taona ity . Anisan’ny nampavitrika ireo mpikatroka, raha ny nambaran’ny filoha mpitantana […]

Kitra – «Chan 2023»: mpilalao 26 mandrafitra ny Barea de Madagascar

Mifangaro ao anatin’ny lisitry ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, ireo mpilalao manana traikefa sy ireo teknisianina. Vonona ry zalahy, hiatrika ny fifaninanana. Namoaka ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho […]

Rugby – Federasiona frantsay: nanaiky hiato i Bernard Laporte fa tsy hiala

Tsy nandà ny sazy fampiatoana, amin’ny maha filohan’ny federasiona, taranja rugby frantsay (FFR) azy, i Bernard Laporte. Saingy tsy manaiky ny hanasorana azy tsy ho filoha intsony. Araka ny vaovao hita, tao anaty tambajotran tserasera, omaly. Hijanona amin’ny asany ity lehiben’ny FFR ity, mandra-piandry ny fitsarana azy farany. Raha tsiahivina […]