Auteur/autrice : Adnews

Betafo: misokatra ny tsenan’omby

Misokatra ny tsenan’omby ao Betafo, kaominina dimy ao anatin’ny distrika no mahazo tombontsoa avy amin’izany, raha voatery mankany Mandoto na An­tsirabe ireo mpivarotr’omby teo aloha. Tombontsoa azo amin’ity tsena ao Betafo ity ny fisorohana halatr’omby sy hanala fahasahiranana ireo mpivarotr’omby amin’ ny taratasy sy fanarahana ny fahasalaman’ny omby. Fa­nampin’izay, ny […]

Rafidison Richard Theodore : “Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny haratsian-dalana”

Roa taona sy tapany izao no naha-governoran’ny faritra Atsinanana an-dRafidi­son Richard Theodore. Ami­ny, tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny faritra ny haratsian-dalana, fa lasa hery hikarohana vahaolana ny hanatsarana azy ireny. Isan’izany ny famakian-dalana, mirefy 20 km tany Ampasimbe Onibe, distrika Toamasina II. «Mandeha indray izao ny fanarenana ny mampitohy an’i […]

Tetikasa Filamatra-kaominina Tsiafahy: nofanina hifehy ny famokarana biolojika ny tantsaha

Nanao hetsika manokana ny tompon’andraikitry ny tetikasa Filamatra, omaly sy anio, eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Nampahafantarina ny mombamomba ny tetikasa, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fambolena biolojika… Nisy koa ny famelabelaran-kevitra samihafa. Nohazavain-dRazafin­drakoto Mamonjisoa, mpandrindra ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ ny Faribolana fanadihadiana marolafy mikasika ny tontolo iainana sy ny […]

la2m : nanome fitaovana ny koreanina tatsimo

Tonga nanolotra fitaovana ara-medikaly, mitentina 100.000 dolara , ho an’ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy sy ho an’ny laboratoara LA2M ny fanjakana koreana tatsimo tamin’ny alalan’ny Masoivoho an’i Korea miasa eto amintsika, Yongho Son, omaly, teny Ambohidahy. Nandray izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo ary nitondra ny […]

Vokatry ny fanohanan’ny USAID : olona 800 000 nizaran’ny Pam tohana ara-tsakafo

Tsy misy fiahiana ara-tsakafo ny mponina any atsi­mon’ny Nosy ka tojo olana amin’izao fotoana izao. Ni­tondra fanampiana mitentina 45 tapitrisa dolara hampiasa­in’ny Fandaharanasan’ny Fi­re­nena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny Sam­pan­dra­haraha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tamin’ity taona ity. Nahafahana nisoroka ola­na ara-tsakafo goavana ny fisian’ny tohana satria ny […]