Auteur/autrice : Adnews

Sekoly Telma : notokanana ny Préscolaire tamin’ireo EPP dimy

Niara-notokanana, omaly, teny amin’ny EPP Malaho ny efitranon-tsekoly vaovao ho an’ny Préscolaire natsangana tamin’ny EPP miisa dimy eto Analamanga. Anisan’ny nisitraka izany ny EPP Malaho, Soalandy, Tsararirinina, Soa­ma­nandrariny ary Masi­nan­driana, izay ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsi­mon­­drano sy Avaradrano avokoa. Ahitana efitrano fianarana sy fampitaovana raitra ahafahan’ny ankizy madinika ma­nokatra tsikelikely ny […]

Fikambanana Ny sahy: mahafapo ny ady amin’ny fifohana sigara

Nahafapo ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina nefa mbola tsara tohizana ny hetsika sy fanamafisana ny lalàna amin’ny fifohana sigara eto Madagasikara, hoy Ramamonjisoa Haja, tompon’andraikitry ny fikambanana Ny sahy. Nanatanteraka atrikasa momba ny mari-pa­man­tarana ny fifehezana ny zava-mahadomelina eto Madagasikara ny fikambanana Ny Sahy, omaly, izay no­tanterahina teny An­ta­ni­na­re­nina. Niompana […]

Muay Thaï – Atsinanana : nahazo medaly volamena 9

Velona sy miaina ny fanatanjahantena ato anatin’ny faritra Atsinanana, raha  ny tenin’ny Governora, Rafidison Richard Theodore, nandritra ny fandraisana ireo mpilalao basikety, telo mianandahy mandrafitra ny ekipam-pirenena Ankoay, farany teo. Nilaza izy fa mahavelombolo ny lafiny fandrosoana ara-panatanjahantena ato anatin’ny Faritra Atsinanana. Teo ihany koa ny nandrombahana ny “La voix […]

Kung-Fu Wisa – Mada 2022 : hanazatra tena eny amin’ny Temple ireo tompondaka

Fahombiazana tanteraka ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kung-fu Wisa, notontosaina teny amin’ny Temple de Mizael Ambatomirahavavy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mpikatroka 105 avy amin’ireo ligim-paritra sivy no tonga nandray anjara tamin’izany, ka ankoatra ny amboara sy valopy natolotry ny filohan’ny federasiona, Grand Maitre Avoko sy ny birao, dia mahazo […]