Auteur/autrice : Adnews

Lomano-Tompondaka eran-tany: misolo tena ny Malagasy i Tendry sy i Jonathan

Hiditra an-tsehatra, anio, amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 25 metatra, tanterahina any Aostralia. Malagasy roa ny misolo tena an’i Madagasikara. Hanomboka anio talata 13 desambra ao Aos­tralia, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 2022, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 metatra. Tsy diso anjara amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara. I […]

Vonjy aina eny anivon’ny hopitaly : tsy ampy ny ra hamonjena ireo marary

Misedra olana amin’ny tsy fahampian’ny ra ny ankamaroan’ireo hopitaly eto amintsika. Anisan’izany ny etsy amin’ ny HJRA Ampefiloha. Miara-miasa amin’ny eo anivon’ny FV­KFM izy ireo amin’izany, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny fiangonana, i Tovo. “Efa an-taona maro ny fanampianay ny hopitaly ka nanaovana fanentanana ny mpino hanome ra, noho ny […]

ONN-sehatra tsy miankina : homena sakafo ny mpianatra

Tombony roa lehibe ny fisian’ny fampisakafoanana ny mpianatra an-tsekoly, voalohany,  mitarika ny fahazotoan’ireo ankizy hiatrika ny fampianarana isan’andro ary mampitombo ny tahan’ny fi­dirana an-tsekoly. Ny tombony faharoa, hisy fiantraikany tsara amin’ny faharanitan-tsaina ny fihinanan’ny mpianatra sakafo ara-pahasalamana na io eo amin’ny fatra na kalitao. Izany indrindra no antony nametrahan’ny foibem-pirenena […]

Moramanga: fotodrafitrasa maromaro natao manara-penitra

Nanolotra ny asa vita tao amin’ny fokontany Anta­na­mandroso- Est sy Ouest, kaominina Moramanga ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana (SENVH) ny asabotsy teo. Nohavaozina sy nampanarahana fenitra tanteraka ny lakandrano mirefy 574m ary ahitana dalot miisa telo izay handrindra ny fitarihan-drano sy hiaro amin’ny tondra-drano. Tsizarizary, niteraka loto […]

Fanalana fako: hiasa andro aman’alina ny kamiao

Nampahafantatra ny Fia­didiana ny tanànan’An­tana­narivo Renivohitra fa hohafainganina ny fandraofana ny fako eto an-tanàna, hahafahana miatrika ny fetin’ny Kris­masy sy ny faran’ny taona ao anaty fahadiovana. Misy fiantraikany amin’ny ora fiasana izany ka hitombo ny ora fivoahan’ireo kamiao mpitatitra fako amin’ny atoandro. Manantitra ny fialantsiny ny CUA amin’ny mety ho […]