Notazonina vonjimaika am-ponja, eny Tsiafahy, ilay lehilahy tratra nitondra antsokosoko volamena milanja 800 grama teny amin’ny seranan’Ivato. Amin’ny volana marsa ny fotoam-pitsarana azy. Nanamafy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, omaly, fa tsy mitsitsy ny fitondram-panjakana amin’ ireo mikasa ny tsy hanara-dalàna eto amin’ny firenena, ary sazy henjana […]
Auteur/autrice : Adnews
fiharian-karena : Sehatra azo trandrahina tsara ny niomerika
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fandaharanasa “Asan’Ai”. Kendrena ny hanofanana maimaimpoana tanora 1 300, mandritra ny 15 volana, mba hananany asa maharitra. Miisa 280 ireo tanora raisina amin’ny fampivondronana voalohany, 320 amin’ny faharoa ary 350 amin’ny fampivondronanana fahatelo sy fahefatra. Orinasa efatra dia ny Intelcia, Concentrix, Konecta, Connecteo, no handray […]
Sehatra miroborobo: Harena an-kibon’ny tany ny 49% amin’ny fanondranana any ivelany
Seha-pihariana miroborobo ny harena an-kibon’ny tany. Naverina ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka. Mbola mihantona kosa ny misehatra amin’ny volamena. Namoaka ny tatitra ho an’ ny taom-piasana 2023 ny rafitra EITI Madagasikara, omaly, teny amin’ny MBC Ivato. Tatitra hisian’ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Voalaza ao ny hetra […]
TSELATRA
Lehilahy 50 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, ampitan’ny hopitaly HJRA, omaly maraina. «Efa narary andro vitsivitsy lasa izy io, ary nanomboka nanary aina ny alina ary izao maty izao », hoy ny vadiny. Mpatory an-dalana izy ireo. Jiolahy miisa roa voasambotry ny polisy tany Anketa Toliara, ny […]
Vono olona feno habibiana : Raim-pianakaviana hita faty teny an-tanimbary
Hita faty teny an-tanimbary, tao Bekitrobaka, Antsohihy, ny raim-pianakaviana (tale misahana ny fizahantany, faritra Sofia teo aloha), afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Niala tao an-tranony hoany amin’ny tanimbariny izy, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Tsy mbola tonga tao an-trano anefa izy na dia efa hariva aza ny andro ka […]




