Tsena lehibe anisan’ny mandray vokatra avy eto an-toerana sy hanondranana entana maro isan-karazany, tsy andoavana haba ary tsy misy “quotas”, ny Vondrona eoropeanina (UE). Antony nanamafisana ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena (APE) hampiroboroboana ny fandraharahana sy ho fampivelarana ny tsenam-panondranana ho an’ny sehatra tsy miankina. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandaharanasa Asan’Ai : Hanofana maimaimpoana tanora 1 300
Hampitombo ny tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy hanatsara ny fahaiza-manaony ary hampitombo ny fandraisan’anjaran’izy ireo ny niomerika, hiantraika ao anatin’ny harinkarena faobe. Tetikasa karakarain’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny tetikasa. Araka izany, hanofana tanora maimaimpoana hatrany amin’ny 1 300, mandritra […]
Agri-business: Manana loharanon-karena matanjaka ny any Atsimo
Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ny famokarana sy ny toekarena any atsimon’ny Nosy. Itodihana, ankehitriny, ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra (Agri-business) mitodika amin’ny filàn’ny tsena, mba hiteraka fampandrosoana. Natao tany Toliara, ny 21, 22 ary 23 janoary teo, ny Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toekarena. Nandray anjara tamin’izany ny faritra […]
TSELATRA
Lehilahy sivy indray voasambotra teto Antananarivo, omaly. Tratra nanendaka vao maraina tetsy Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano, ny iray. Lehilahy roa hafa voasambotra tetsy Analamahitsy, tamin’ny 12 ora atoandro, voarohirohy tamin’ny fitazomana sy fidorohana zava-mahadomelina. Nahitana fonosana rongony miisa 18 teny amin’izy roa lahy nandritra ny fisavana. Lehilahy miisa enina voasambotra tetsy […]
Fikasana hamono tena : Lehilahy iray nisotro famonoana bibikely
Tovolahy 25 taona nisotro ranom-panafody famonoana bibikely atao hoe « Ultracide », omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Niseho tao Anonoka, fokontany sy kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, ny tranga. Nentin’ny fokonolona tany amin’ny CSB2 Sadabe izy rehefa hitan’ny olona fa niha nalemy sy reraka. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany […]




