Misesisesy ny tranga fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Novakin’ny jiolahy ihany koa ny tokantrano iray etsy Manarintsoa Namehana, omaly, tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Tao anaty torimaso tanteraka ny tompony no novakian’ny olon-dratsy ny trano. Lasan’ireo jiolahy ny fitaovana sy entana maro. Maraina vao tsikaritry ny tompony fa […]
Auteur/autrice : Adnews
Nisy nanolana tany Sadabe ! Vehivavy 50 taona hita faty tao anaty kirihitra
Hita faty tao anaty kirihatr’ala, tany amin’ny Garabe Andavabato, fokontany Ambatofisaorana, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, omaly maraina, tamin’ny 9 ora sy sasany, ny vehivavy lehibe iray, tokony ho 50 taona. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy io satria niharan’ny herisetra ara-batana sy ara-nofo nataon’olona tsy fantatra, raha ny fizahana nataon’ny […]
Nilalao rano : Ankizy mpirahalahy maty an-drano :
Maty nalentiky ny rano tao amin’ny dobo Daingobe, ao amin’ny kaominina Antsahalava Beambiaty, afakomaly, ny ankizy mpirahalahy, 06 sy 07 taona. Raha ny fanazavana, nilalao rano sy nilomano teo izy mirahalahy ireo. Nanandran¬an¬¬drana nilalao rano tao anaty dobo. Tsy mbola misy nahay nilomano, saingy samy nanao izay saim-patany tao anaty […]
Voaroba ny 20 tapitrisa ariary: Tovolahy 13 taona maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny jiolahy ny tovolahy 13 taona, teny Andobo, Sabotsy Namehana. 10 lahy nanafika azy mianakavy ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Voaroba ny 20 tapitrisa Ar. Notafihan’ny jiolahy miisa 10 mahery, mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray ao Andobo, fokontany Tsarafara, kaominin’i Sabotsy Namehana, disitrikan’Antananarivo Avaradrano, ny alin’ny talata 20 […]




