Vita ny fanavaozana ny laboratoara ho an’ny fianarana teny japoney eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ary notokanana tamin’ity herinandro ity, teny Ankatso. Tafiditra amin’ny fanohanana tetikasa madinika vita sonia ny taona 2025 ny asa fanavaozana, mitentina 331 tapitrisa Ar. Zava-dehibe ho an’ny fianarana teny japoney ny fisian’ny laboratoara nanomboka ny taona […]
Auteur/autrice : Adnews
Andro ratsy : Tombanana hiditra an-tanety anio maraina
“Omaly tolakandro, tany amin’ny 495 km andrefan’ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Dépression tropicale hatrany ny sokajy misy azy. 55 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 75 km isan’ora. Mikisaka miatsinanana izy ka […]
Fampianarana ambony: Maro ireo sekoly doktoraly tsy manaraka fenitra akademika
Tsy ankitsitsy ny eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Handraisana fepetra ary miafara amin’ny fanakatonana ny tsy fanarahan-dalàna ho an’ireo sekoly doktoraly… Hentitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa namoaka ny naoty fampahatsiahivana ho an’ireo filohan’ny oniversite sy talen’ny sekoly doktoraly rehetra. Mampitandrina ny minisitera amin’ireo didy aman-dalàna mahakasika […]
Tetikasa « Aiza Eh ! » : Hanampy ireo mpisehatra ara-javakanto
Hanomboka ny taon-javakanto ao aminy ny CGM / GZ etsy Analakely. Mialoha izany, te hanampy ireo mpisehatra mba hahitana ny tena filan’izy ireo, ity ivo-toerana alemà-malagasy ity. Amin’ny alalan’ilay tetikasa « Aiza Eh ! » io, izay natao indrindra hanangonana ireo soso-kevitra avy amin’ireo mpisehatra ara-javakanto rehetra, arakaraka ny sokajin-kanto misy azy ireo. […]
Fiarahamonina: Very hasina ny kolontsaina malagasy
Ny tsy fahafantarana ny fototra. Antony iray mahavery ny hasin’ny kolontsaina sy ny soatoavina. Na, fantatra ihany ilay fototra fa ny fomba iainana miaraka aminy no tsy vita intsony. Mbola manary ny hasina ihany koa ny tahaka io. Tahotry ny akorain’ny fiarahamonina ka nanjary nampirimina sy nafenina ilay kolontsaina. Nanary […]




