Auteur/autrice : Adnews

Ahina ho namono tena : Tovolahy hita faty nihantona tamin’ny hazo

Tovolahy iray 29 taona hita faty nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny hazo iray, teo amoron-dranomasina akaikin’ny Jardin d’amour, Maha­janga, omaly, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Olona mipetraka teo amin’ny manodidina no nahita io zava-doza io ka nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Nam­pandrenesina ny sefo fokontany sy ny mpitandro filaminana. […]

Distrikan’i Mandritsara: Mpivarotra omby hita faty

Notsatohan’ny tsy valahara tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray mpivarotra omby tao amin’ny fokontany Anandrobato, kaominina Ambalakirajy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Hita faty tao anatin’ny renirano Mangarahara tsy lavitry ny ivontoeram-panofanana iray ao an-toerana io lehilahy io. Nakarin’ny fokonolona an-tanety ny nofo mangatsiakany. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana sy […]

FANTINA sy FINTINA

Ho vita hatreo ireo mpiasam-panjakana ma­toatoa. Manomboka anio ny fanisana ireo mpiasa eo anivon’ny minisitera rehetra sy ireo Andrimpanjakana, miaraka amin’ireo rantsa-mangaika ao aminy ary hatrany amin’ny faritra. Tanjona ny hahafantarana ny tena isan’izy ireo marina, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Asa, omaly. Miroso ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Nambaran’ny minisi-panjakana, […]

Firosoana amin’ny fanavaozana : Hamaritra ny tohin’ny fikaonandoha ny FFKM

Hotanterahina ny alahady izao, etsy amin’ny Ekar Ando­halo, ny herinandro fiaraha-mivavaka, hotarihin’ny FFKM. Hatao amin’izany koa ny fa­mindram-pitantanana sy ny fampitana hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka, indrindra ny momba ny raharaham-pirenena. Hampahafantarin’ireo filoham-piangonana amin’io fo­toana io ny ho tohin’ny fikaonandoham-pirenena, taorian’ ny nanokafana izany teny Ivato, ny 10 […]