Notanterahina omaly, tetsy Mahamasina, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Dinika natao handraisana ny hevitr’ireo mpandraharaha entina hanatsarana ny sehatra misy azy. “Fotoana hamoaboasana miaraka ireo sakana sy olana mitambesatra amin’ ny fampandrosoana ny indostria, ny orinasa, ny fandraharahana toy ny olan’ny famokarana, ny angovo, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Haharitra hatramin’ny 16 janoary ny dinika iarahan’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé sy ny solontena maharitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), Eklou Kodjovi. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny roa tonta ny resaka. Ao anatin’izany ny fanombanana ny fampidiram-bola, ny fampiasam-bola ary ny toe-draharaha ara-toekarena. Horesahina […]
Fanondranana drakaka: Orinasa malagasy roa nisantatra ny andiany I
Natomboka ny 12 janoary teo ny fanondranana drakaka velona andiany voalohany ho fanokafana ny fotoam-pitrandrahana. Voafantina sy nisantatra izany ny orinasa malagasy miisa roa. Nilaza ireo mpandraharaha fa “nihamora sy malalaka ny fikarakarana ireo antontan-taratasy takina amin’ny fanondranana raha toa ka nananosarotra izany nandritra ny taona maro”. Araka izany, manantena […]
Fanondranana entana : Hisitraka ny Agoa mandritra ny telo taona i Madagasikara
Hitohy hatramin’ny taona 2028 ny fisitrahan’i Madagasikara ny Agoa, taorian’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina. Lany tamin’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina tsy nasiam-panitsiana ny hisitrahan’i Madagasikara ny “African Growth and Opportunity Act” (Agoa) mandritra ny telo taona indray. Izany hoe, fifanarahana ara-barotra manome fahafahana tsy misy haba ny fanondranana vokatra avy […]
TSELATRA
Manao antso ny tokony hamoahana sy hamotsorana ny solombavam-bahoaka voafidy tao Fianaratsoa I, Sahondrarimalala Marie Michelle ireo andiam-behivavy tetsy Anosizato afakomaly. Nambaran’izy ireo fa tsy manara-dalàna ny fisamborana azy. « Nahavita tsara ny asany, nandritra ny maha minisitry ny Fanabeazam-pirenena azy teo aloha ity solombavahoaka ity », hoy hatrany ireo vehivavy ireo. […]




