Auteur/autrice : Adnews

Vaovao tambatra

Hanaovana andrana ny godirao any Bemo­langa. Hanombohana azy ny ao an-tampon-tanàn’i Morafenobe, ka godirao milanja 300 taonina ho hara­raka amin’ny lalana mirefy 400 metatra amin’ny 1,2 km. Hanomboka koa ny fanarenana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Maintirano, tafiditra ao anatin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN1bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano, tanterahin’ny Jenia […]

Fenitry ny fitaovana: arahi-maso ny fampi­a­sana angovo madinika

Tanterahina ao amin’ny Carlton Anosy mandritra ny efatr’andro ny atrikasa momba ny famolavolana ny fenitra amin’ ny fahombiazan’ny fampiasana angovo kely indrindra na « Minimum Energy Performance Standards » (MEPS). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika nasionaly momba ny kalitao (PNQ) sy ny Paikady nasionaly momba ny fenitra […]

Fizahantany: hifantohana ny faharanitan-tsaina artifisialy

Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny sehatry ny fizahantany. Hankalazaina any Mahajanga, ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT). Lohahe­vitra nosafidiana ny hoe « ny niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy entina hanavaozana ny fizahantany ». Safidy manasongadina fa fitaovana lehibe sady tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana […]

Fampiasambolam-panjakana: hifantoka amin’ny politikam-pampandrosoana

Hametraka politika nasionaly vaovao momba ny fampiasambolam-panjakana ny Governemanta. Tanjona ny hanana vina maharitra sy vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Hiara-hiasa ny Prima­tiora, ny Oniversiten’ An­tananarivo, ny Ima­tep ary ny Enam hanamafy ny fan­drafetana ny politika nasionaly momba ny fampiasambolam-panjakana. Nanao sonia izany teny amin’ny Lapan’i Mahazo­a­rivo, omaly, […]

Fantina sy fintina

Hamelo-maso ny antoko eny ifotony ny eo anivon’ny Tim amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Ny Riana. Nohamafisiny fa haverina amin’ny tanjany ha­treny anivon’ny fokontany ny antoko. « Hovitaina hatramin’ny oktobra ny fitsidihana sy fanamafisana ny Distim sy ny Comtim ary ny Foktim », hoy izy. Nankasitraka ny fanendrena […]