Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny sehatry ny fizahantany. Hankalazaina any Mahajanga, ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT). Lohahevitra nosafidiana ny hoe « ny niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy entina hanavaozana ny fizahantany ». Safidy manasongadina fa fitaovana lehibe sady tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fizahantany maneran-tany ny teknolojia sy ny IA. Nosafidiana i Mahajanga satria manana ny lanjany amin’ ny fizahantany aty anatiny sy ho an’ny vahiny. Nambaran’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTM), Ramatoa Rafaralahy Lily, omaly, fa ilana ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny fampiroboroboan’ny fizahantany fa tsy vitan’ny minisitera irery.
Sakafo malagasy
Hetsika maro samihafa no ho hita mandritra ireo fotoana ireo, manampy ny tranoheva maherin’ny 100. Hisy ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra, hifantoka amin’ny tombontsoa entin’ny niomerika. Hampiavaka azy koa ny fifaninanana fahandroan-tsakafo malagasy.
Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho toerana fizahantany mifandray kokoa, manavao ary mora idirana, sady afaka mamaly ny filan’ny fizahantany maoderina. Manohana ny fanatanterahana ny “JMT 2026” ny tetikasa Pic, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena. Mpiara-miombon’ antoka manokana ny orinasa Yas. Hetsika ho eo ambany fiahian’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra.
Njaka A.




