Auteur/autrice : Adnews

Fanadinam-panjakana: Helohin’ny lalàna ny fiangarana manokana

Manantitrantitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ny didim-pitondrana laharana faha-19437/2026. Momba ny fisorohana sy fanasaziana ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna mandritra ireo fanadinana sy fifaninanana ara-panjakana miankina amin’ny Men izy io. Meloka amin’ny fandikan-dalàna lehibe ny mpiasa rehetra tafiditra amin’ny fikarakarana fanadinana raha toa ka manome lanja manokana, manavakavaka na fitsinjovana […]

Fomba fitsarana ny ankizy; Mihena ny fanagadrana ary hampiharina ny fepetra hafa

Nanamafy ny fomba hitsarana ny ankizy, amin’ny alalan’ny fananganana ny drafitrasa 2026-2027, hampiroborobo ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona i Madagasikara. Ahitana tanjona valo ny drafitrasa, hiantohana ny fisian’ny fitsarana mifanaraka sy miaro ny ankizy. Hanatsarana ny fahombiazana sy ny hafainganam-pandehan’ny raharaham-pitsarana, hampiroboroboana ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona. Eo […]

Malagasy Guitar Masters: Hizara traikefa sy hanao fampisehoana

I Teta, Chrysanto ary Rija Randrianivosoa. Ireo izy telo mirahalahy mandrafitra ny Malagasy Guitare Masters amin’izao fotoana. Tsy tafaraka matetika noho ny asa aman-draharaha sy ny tany honenana mifanipaka, saingy tsy avelan’ny mozika hisaraka ela. Herinandro vitsivitsy izay no mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianavosoa. Tafa­haona tamin’i Chrysanto izy. Niantso avy […]

Mondial 2026 : Hisy lalao «pronostic Woco” iarahana amin’ny Star

Efa miaina tanteraka ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, “Mondial 2026”, ny rehetra amin’izao fotoana izao. Manoloana iza­ny, manomana lalao roa ny World Cola (Woco) sy ny orinasa Star, amin’ny alalan’ireo vokatra vaovao vokariny. Nampahafantarina teny An­dra­nobevava izany, ny alarobia lasa teo. Ho hita amin’ireo tavoahangy […]