Misesisesy ny fahitana fatin’olona eto amin’ny Nosy, tato ho ato. Renim-pianakaviana iray sy tovolahy iray hita faty tetsy Sabotsy Namehana sy By-pass, omaly maraina. Nahitana ratra sy ra ny vavan’ilay tovolahy, raha tsy nahitana ratra kosa ilay ramatoa. Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 50 taona eo ho eo tetsy Andoharano, […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsipy kanetibe : Tsy vita ny fifidianana ho an’ireo ligy roa
Roa tamin’ireo ligim-paritra tsipy kanetibe miisa 7 nanaovana fifidianana ho filohany, ny sabotsy lasa teo, no tsy tanteraka. Anisan’izany ny an’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Ireo ihany koa no hany nisy mpifaninana roa. Raha ho an’Analamanga manokana, tsy nanaiky nanaovana ny fandatsaham-bato ireo filohana klioba, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Voatery niroso […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Nisy ny diabe sy ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ireo mpanazatra tamin’ ny mpanao gazety. Marihina fa hisy ny fifanintsanana ho an’ny ankizy mandritra ity taom-pilalaovana ity. Mandalo fitsaboana eny […]
Muay Thai Tournament 4 : Ady 20 eo no hitranga eny Mahamasina
Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny 21 desambra 2025 ho avy izao, ny “Muay Thaï Tournament 4”, karakarain’ny GISL na ny “Grande île sports et loisirs”. Ady manodidina ny 20 eo no hitranga amin’ity andiany farany sady famaranana lehibe ity, raha ny fanazavan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Ho tazana avokoa […]
Taranja tolona eny anivon’ny sekoly : Nahatratra 200 mahery ireo mpianatra nifaninana
Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena an-tsekoly ho an’ny taranja tolona. Navitrika ireo mpianatra tamin’ny fandraisana anjara. Azo antoka ny ho mpandimby ireo zoky, ary mety hanana ekipam-pirenena matanjaka i Madagasikara atsy ho atsy. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Ankoay Ankorondrano, ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja tolona, […]




