Tranga mampiahiahy : Olona roa hita faty, omaly

Misesisesy ny fahitana fatin’olona eto amin’ny Nosy, tato ho ato. Renim-pianakaviana iray sy tovolahy iray hita faty tetsy Sabotsy Namehana sy By-pass, omaly maraina. Nahitana ratra sy ra ny vavan’ilay tovolahy, raha tsy nahitana ratra kosa ilay ramatoa.

Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 50 taona eo ho eo tetsy Andoharano, fokontany Atsi­nanantsena, kaominina Sa­botsy Namehana, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Nahita ramatoa nivalampatra, natory ary efa tsy nisy aina intsony teo amin’ny sisin’ny tetezan’i Sabotsy Namehana ireo olona mpivezivezy teny an-toerana. Niantso ny sefo fo¬kontany avy hatrany ireto farany rehefa nahatsapa zavatra nampiahiahy. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny sefo fokontany sy ny avy amin’ny kaominina Sabotsy Name­hana. Tonga teny ifotony nanao ny fanadihadiana ihany koa ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Sabotsy Namehana. Tsy nahitana ratra ny vatany, nandritra ny fizahan’ny mpi­tsabo. Heverina ho niakatra tosidra na maty tampoka ny antony nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray. Raha ny fitantaran’ny olona teny amin’ny manodidina, mpivarotra ao an-tsena ihany io ramatoa hita faty io. Nivarotra izy ary nilaza ny hitady malomaloka hipetrahana ary nandeha teo amin’io toerana nahitana azy io. Gaga anefa ny olona nivarotra teo akaikiny rehefa tsy nahita azy niverina tao anatin’ny fotoana elaela.
Efa tonga naka ny razana teny an-toerana ny fianakaviana, taorian’ny fizahana sy fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nanampy tamin’ny fikarakarana sy fitondrana ny razana teny amin’ny trano fonenany, tany Talata Ankadivoribe, ny tomponandraikitra avy amin’ny kaomi­nina.

Nisy namono
Ankoatra izay, tovolahy iray manodidina ny 16 taona ihany koa hita faty teny akai­kin’ny Hotely Sky Blue, Anka­dintratombo, By Pass, fokontany Ambohipo Atsimo, omaly, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Olona sendra nandalo maraina no nahita tovolahy nianjera izay efa tsy nisy aina intsony ka niantso tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Nahitana mangana sy naratra teo amin’ny lohany sy ny vavany, nandritra ny fizahan’ny mpitsabo ny razana. Heverina ho niady na nisy namono ny antony nahafaty ity tovolahy ity. Tsy nisy taratasy nahafantarana ny momba azy koa teny aminy. Tonga naka ny razana teny an-toerana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-paty etsy amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH.
Taorian’ny fiparitahan’ny sary tamin’ny tambajotran-tserasera, tonga nijery ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny fianakaviany. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesan’ity tovolahy ity. Tsy fantatra ihany koa ny olona heverina ho nahavanon-doza. Efa misahana ny fanadihadiana kosa ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: