Milaza ny hanapaka tanteraka ny jiro sy rano eto an-dRenivohitra ny mpiasan’ny Jirama, mpanao fitokonana, anio. Manamafy kosa ny minisitra, Ralitera Ny Ando Jurice, fa efa an-dalana ny famahana ny olana sy ny fijerena manokana ny fitakiana. Tsy misy farany! Mitohy hatrany ny fitokonan’ny mpiasan’ny Jirama mivondrona anatin’ny sendika. Nilaza […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsipy kanetibe – Afrique 2025 : Ho any Mauritanie ny ekipan’ny Pac
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Maibahoaka Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka. Nandrombaka ny anaram-boninahitra ny ekipan’ny Pac Ampitatafika, nahitana an’i Balôty sy i Salohy ary i Mamy Ronaldinho, rehefa nandresy ny APM Boeny, nisy an’i Jean-Marc sy i Sitraka ary i […]
SOMBIM-BAOVAO
Mialoha ny handehanan’ny Makis Ladies ho any Kenya, noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, ny zoma teo, tetsy Ambohijatovo, ny vehivavy malagasy mpilalao Rugby. Notoloran’ny minisitra vatsin-dalana izy ireo tamin’io fihaonana io, ary nanolotra tsodrano ho an’ireto ekipam-pirenena malagasy hitondra avo ny voninahim-pirenena ireto izy. […]
« Mada sénior 2025» : Rava tsy lera ny lalao
Ratsy fiafara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Sénior 2025. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny alahady 9 novambra lasa teo. Tsy tontosa hatramin’ny farany mantsy ny fihaonana teo amin’ny sokajy lehilahy, nikatrohan’ny Littoral SC Atsinanana sy ny HBC Cut Atsimo Andrefana. Niala an-daharana […]
Lalao ara-pirahalahiana : Raikitra ihany ny fihaonan’ny Barea sy i Guinée Equatoriale
Na dia teo aza ny vaovao naelin’ny Federasionina gineanina (FeGuiFut), ny zoma lasa teo, fa tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’izy ireo ny hifandona amin’ny Barea. Fantatra omaly ihany, fa i Madagasikara sy i Kenya, no hifanandrina aminy. “Saika ratsy”! Nanitsy ny vaovao navoakany tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo ihany, ny Federasiona gineanina […]




