Ambany ny taham-pampidirana hetra eto Madagasikara, izay anisan’ny mamatsy vola anatiny ny tetikasa atao. Mahalana sady tsy mahafantatra ny fampiasan-ketra ny ankamaroan’ny Malagasy. «Mila ezaka ny fampitomboana ny hetra izay tsy misy afa-tsy 11% ny harinkarena faobe monja», raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola vaovao, ny Dr […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
“Betsaka ny nanana ahiahy fa tsy olon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena aho”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena vaovao, Dr Hanitriniaina Elis Karena, nandritra ny fandraisany fitenenana. Tao amin’ny fanabeazana no nandaniany ny fahatanorany ary teny anivon’ny Lycée Betioky Atsimo no niasa voalohany izy. Nanome toky izy fa tsy handiso fanantenana ireo mpiasa […]
Fampianarana : “Lasa takalonaina ny ankizy”, hoy ny ray aman-dreny
Lasa takalonaina ny zanaka malagasy mianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana hatramin’ny fiantombohan’ny fitokonana, ny 26 septambra ho an’ i Toamasina, raha efa miverina mianatra soa aman-tsara ny eny amin’ny sekoly tsy miankina. Ho an’ i Toamasina manokana, ankoatra ny fitakiana ny hitovian’ny mpampianatra mpanabe manerana ny Nosy, mitaky ny fialan’ny lehiben’ny […]
Maloto ny rivotra iainana : Mahazo vahana ny sery sy ny kohoka
Mahazo vahana ny sery miaraka amin’ny kohoka amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny mpitsabo eto an-dRenivohitra, omaly. Maloto ny rivotra fohina eto sady mainabe ny atmosfera ka sahirana ny olona marefo. Ireo zaza madinika sy ny zokiolona no betsaka manatona mpitsabo, nandritra ny roa herinandro izay. Maina sy mangitikitika ny […]
“Forum Galien” any Dakar: Ilaina ny fahaleovantenan’i Afrika amin’ny fahasalamana
Hifarana anio, any Dakar, Sénégal, ny fivoriana andiany fahavalo, “Forum Galien Afrique” miompana amin’ny fahasalamana. Mandray anjara avokoa ny mpitarika politika, mpikaroka, mpandraharaha ary ny tanora midinika ny lohahevitra “Zava-dehibe ny fahafahan’i Afrika misahana ny fahasalaman’ny mponina ao aminy”. “Hita taratra nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19 fa marefo ny […]




