Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny talata lasa teo, nihazo an’i Tunisie, ilay Malagasy mpitsara basikety, Maminiaina Sylvain Pierrot. Hiatrika fiofanana any an-toerana ny tenany manomboka anio hatramin’ny 2 novambra ho avy izao. Fiofanana karakarain’ny Federsionina iraisam-pirenena (Fiba) izy ity, hanamafisam-pahaizana. Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny hazakazaka fiarakodia “Coupe du […]

Karate : Atleta 450 hifanintsana any Antsirabe

Hotanterahina ao amin’ny Gymnase Vatofotsy Antsirabe, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, an’olon-tokana, taranja Karate do, ho an’ny sokajy Cadet, Junior ary ny Senior. Atleta miisa 450 mianadahy, avy amin’ny ligy 20, no hifanandrina amin’izany. Amin’ity fifanintsanana nasionaly ity, hisy ny […]

minisitry ny fantanjahantena: Hanohy ny fanatsarana ireo fotodra­fitrasa

Tontosa omaly, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vao voatendry, Rasambany Alain Désiré. «Firahalahiana tanteraka! ». Io ny teny namaritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, Moustapha […]

Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : Nampiaka-peo ny mpirakidraharaha

Tsy takona hafenina intsony ny firaviravian-tanan’ny mpitandro filaminana, hany ka zary lasa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana iza­ny. Efa mihatra isam-baravarana, manerana ny fokotany 138, anivon’ny kominina ambonivohitr’i Toamasina iza­ny. Vokany, tsy naharitra ka niloa-bava sy nampiaka-peo no sady nikiakiaka ny mpirakidraharaha eo anivon’ny Fi­tsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony […]

Jly Razafitombo Ely : «Hamafisina ny firaisankina eo amin’ny Foloalindahy»

Naneho ny fahavononany hanamafy ny firahalahiana amin’ny alalan’ny firaisankina eo amin’ny Foloalindahy Malagasy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) vaovao, ny Jly Razafitombo Mamirina Ely, omaly, nandritra ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny MFA teo aloha, ny Jly Deramasinjaka. Tontosa omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloa­lindahy Ampahibe, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo […]