Toy ireny voan’ny fandraikiraikena ireny ny mpivarotra zava-pisotro iray tany Mahamasina, fokontany Alakamisikely, Antsampanimahazo, kaominina Ampahimanga, faritra Itasy, omaly tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Nihaodihaody sy nivezivezy tamin’ny mpivarotra roa samihafa nandritra ny alim-pandihizana iray tany an-toerana, ny andian-jatovo miisa dimy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola lafo rehetra […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanafihan-jiolahy : Finday valo sy ordinatera voaroba
Jiolahy fito lahy niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Mangarano II, parcelle 11/47, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy 25 oktobra teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy, nosimbain’ireo olon-dratsy miisa fito lahy ny fanalahidin’ny vavahady, nanao mora ny nahatafidiran’izy ireo tao an-trano. Nanara-maso tany ivelan’ny trano ny namany. […]
Ankorondrano Andrefana : Trano maro kilan’ny afo
An-jatony ireo traboina etsy amin’ny fokontany Ankorondrano Andrefana taorian’ny haintrano, omaly. Niainga tao amin’ny tokantrano iray ny afo, araka ny fanadihadiana. Olona roa may ka voatery nentina teny anivon’ny mpitsabo taorian’ny haintrano teny Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, manamorona ny lalamby, ny marain’ny alahady 26 oktobra teo, tamin’ny 9 ora maraina. […]




