Auteur/autrice : Adnews

Andranomahery-Ankorondrano : Tovolahy namoy ny ainy, nolerana zava-maranitra

Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka […]

Kominina Ambonivohitr’ i Toamasina: Fahadiovana maharitra no tanjona

“Tsy atao ho zavatra mandalo fotsiny izany fanadiovana sy fahadiovana izany, izay fototry ny fahasalamam-bahoaka aharitra ka tsy maintsy mametraka fahadiovana sy fanadiovana tanàna maharitra ho an’ny vahoaka ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toa­masina, nandritra ny fidinany ifotony efa ho tapa-bolana tsy an-kiato izay. Efa nataony nitarika […]

Oniversiten’Antananarivo: Hankalaza ny faha-65 taona niorenany

Mandritra ny herinandro (15 ka hatramin’ny 21 jona 2026 ho avy izao) ny hetsika ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Oniversite eto Antananarivo Araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpikarakara, i Nantenaina Rabetokotany, ny 15 jona ho avy izao ny fanokafana ny hetsika, miaraka amin’ny tranoheva iarahana amin’ireo toeram-pampianarana valo […]

Havàtsa-Upem – Volan’ny teny malagasy : Hanomboka anio ny Atrikasa 2026 fanoratana

Iray amin’ireo hetsika mampiavaka ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem ny fanatanterahana atrikasa mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ao anatin’izao «Iray volana anandratana ny teny malagasy» izao, hanatontosa ny «Atrikasa 2026 fanoratana» ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana ny teny malagasy ity. Hiompana amin’ny famakafakana asa soratra (Essai […]

Fanja Andriamanantena : Hisy zava-baovao ny « Mozika Tsotra izao »

Andiam-pampisehoana, miompana manontolo amin’ny sanganasan’i Fanja Andriamanantena, ny « Mozika tsotra izao ». Hafa indray ny fisehon’ny andiany manaraka eo. Manohy hatrany ny mo­zika izy… Ny fiakarana an-tsehatra kosa tsy hanao toa ny efa vitany taloha intsony i Fanja Andriama­nantena. «Hanomboka pejy vaovao indray…Raha izaho dia tsy hahavita hiaka-tsehatra intsony, […]