Auteur/autrice : Adnews

Indray mijery

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny CHU-JRB, ny Sampana “Hépato-Gastroenté­rologie” dia manatanteraka fitiliana maimaimpoana ny aretina Hépatite B sy C ho an’ny daholobe. Mbola anisan’ireo aretina mahafaty olona maro maneran-tany ny Hépatite B sy C, ary mbola ahitana tranga maro eto Madaga­sikara. Notanterahina ny alakamisy teo ny fanaovan-tsonia ofisialy ny […]

Fahasalamana-Tontolo iainana-Toetr’andro : Manamafy ny One Health i Madagasikara

Nifarana omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Fiompiana, Ampandrianomby, ny atrikasa lehibe natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny se­hatry ny fahasalamana, tontolo iainana, fiompiana ary toetr’ andro (One Health). Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tambajotra “Sega-One Health” sy ny tetikasa “Sécurité sanitaire indopacifique” (SSIP), vatsian’ny AFD ary tanterahin’ny COI izy io. Iarahana […]

DPVAC-MCC : Mpilatsaka an-tsitrapo sy mpianatra 700 nanadio teny Ivato

Tetsy amin’ny zaridaina Mamory, kaominina Ivato, no nanamarika ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny tontolo iainana ireo mpilatsaka an-tsitrapo, notarihin’ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny mpilatsaka an-tsitrapo sy ny fanentanana eny ifotony, ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotovao Fanorenantsoa. Mifanindran-dalana amin’ny Taona ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo rahateo izany. Taorian’ny […]

Fahasalamana : 1,1% ny fihanaky ny Sida ary 1,8% ny sifilisy

Nampahafantarina ny herinandro teo ny valin’ny fanadihadiana nasionaly momba ny tahan’ny fihanaky ny VIH sy ny sifilisy eo amin’ireo vehivavy bevohoka tonga tamin’ny fizaham-pahasalamana voalohany mandritra ny fitondrana vohoka (CPN). Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa 1,1% ny tahan’ny fihanaky ny VIH ary 1, 8% ny an’ny sifilisy raha ny salanisa […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio sabotsy tontolo andro, etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny andiany fahadimy amin’ny “Iray isika eny an-kianja”. Fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina, hifaninanan’ireo mpiasa amin’ny haino vaky jery. Taranja telo no hifaninanana dia ny tsipy kanetibe, ny baolina kitra lalaovina olona 7 ary ny basikety iarahan’ny lahy sy vavy. Norombahin’ny ekipan’ny […]