Auteur/autrice : Adnews

Fanafihan-jiolahy: Tokantrano voaroba enina hetsy Ar

Lelavola enina hetsy Ar norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny fokontany Andranomadio Parcelle 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 26 oktobra lasa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray, ao an-toerana, ireo jiolahy. Niditra tao amin’ny trano fonenan’ny tompon-tsena izy ireo. Mody nanapoaka tsipoapoaka ho solom-basy nentina nampitahorana ny […]

Afon-tsaribao tsy voafehy : Tovovavy 13 taona maty, may ny tranon’i Nenilava

Nirehitra, omaly, ny tranon’i Nenilava, mpiandry manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiangonana Loterana. Sempotra sy may ny tovovavy 13 taona. Nahatonga izany ny afon-tsaribao tsy voafehy. Nitrangana haintrano namoizana aina indray tetsy amin’ny toby Loterana Ambohibao, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 20 minitra. Izay toby fandraisana an-tanana […]

Sakafo ara-pahasalamana : Manana ny lanjany eo amin’ny vatan’olombelona ny manga

Ny manga dia iray amin’ireo voankazo malaza sy tian’ny olona maneran-tany. Noho ny tsirony mamy, ny hanitra manintona ary ny tombontsoa ara-pahasalamana maro ao aminy no anton’izany. Eto Madagasikara, iray amin’ireo voankazo tena maro mpamboly sy be mpihinana ny manga, satria tsy mitaky fikarakarana sarotra, ary manome vokatra be rehefa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisehatra any Brooklyn, New York, i Soa Ratsifandrihana. Haneho ilay soradihy « Fampitaha, fampita, fampitana » izy, ny 28 hatramin’ny 30 oktobra izao, mandritra ny « Powerhouse International Festival ». Mifototra amin’ny soradihy mazava loatra, saingy miharo mozika miaraka amin’ilay mpitendry gitara, Joël Rabesolo izany. Niaharan’izy ireo niasa rahateo tamin’ireo […]

« Tolo-tanana ho an’i Kolibera »: Naneho firaisankina ny samy mpanakanto

Tsy sambany ny fiaraha-mientan’ny samy mpanakanto. Nanoloana ny tsy fahasalamana nahazo an’i Kolibera, nisy ny hetsika izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Anat’Sah, sampanan’ Am­bohi­trimanjaka. Natao ho fitadiavam-bola hanampiana an’ity andrarezin’ny tendry gasy an-gitara ity izany, hiatrehany ny tohin’ny fitsaboana. Maro dia maro ireo namaly ny antso na dia […]