VAOVAO TAMBATRA

Hisehatra any Brooklyn, New York, i Soa Ratsifandrihana. Haneho ilay soradihy « Fampitaha, fampita, fampitana » izy, ny 28 hatramin’ny 30 oktobra izao, mandritra ny « Powerhouse International Festival ». Mifototra amin’ny soradihy mazava loatra, saingy miharo mozika miaraka amin’ilay mpitendry gitara, Joël Rabesolo izany. Niaharan’izy ireo niasa rahateo tamin’ireo mpanao soradihy Audrey Merilus sy Stanley Oliver ity vokatra ity izay efa nentina tany Bruxelles, Paris, Avignon, Orléans, Genève, sns. Lalana misokatra ho an’ity mpanakanto mpanao soradihy ity ny hetsika

Nisy vondrona mpilalao sy mpisehatra amin’ny sarimihetsika naneho ny tsy fankatoavan’izy ireo intsony ny rafi-pitantanana mandray an-tanana azy. Ny ivontoeran’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara na ISSM mantsy, hatreto, no rafitra ara-panjakana mifehy ny tontolon’ny horonantsary sy ny sarimihetsika. Mitana ny fanovana rafitra sy ny fialan’ny mpitantana ankehitriny ireo vondrona mpisehatra sy mpilalao ireo. Ny saobtsy teo no nanome 72 ora mba hialan’ny talen’ny ISSM izy ireo.

Nifamory tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina ireo mpanakanto, mpanao mozika. Tsy tena marobe, saingy nahasolo ny faritany enina ny sokajin-taona sy ny sokajin-kanto kosa ireo tonga. Ny mpanakanto Rolf no anisan’ny tompon-kevitra tamin’ny fiantsoana fivoariana, izay namakiana bantsilana ireo tsy mety rehetra hilam-panovana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Maro ny tsoa-kevitra nivoaka tamin’ny fivoriana, izay harafitra ho hetahetan’ny mpanakanto ka hampiakarina amin’ny sehatra ambonimbony kokoa. Ao anatin’izany ny masontsivana amin’izay minisitra tokony hisahana ny kolontsaina ary koa ny hangatahin’izy ireo hahaleo tena.

Partager sur: